Foire Internationale de l’Agriculture (FIA): Hanandratra avo ny famokarana sy ny sakafo malagasy

Hampiroborobo ny famokarana maharitra sy ny tolotra ary ny fahaiza-manaony mahakasika ny fambolena, ny fiompiana ary ny jono ny FIA. Jerena manokana ny fiaraha-miasa amin’ireo mpandraharaha ara-tsakafo mirona mankany amin’ny fampandrosoana ny vokatra malagasy.

Hotanterahina ny 4 ka hatramin’ny 7 septambra, eny amin’ny CCI Ivato, ny « Foire internationale de l’agriculture » (FIA) karakarain’ny Madavision. Hetsika iarahany amin’ny «Festival internationale de la gastronomie (FIG)» andiany voalohany. Lohahevitra amin’ity taona ity «ny tany mamokatra, ny tanana mamolavola, isika re­hetra miara-misitraka». «Tan­jona ny hanomezan-danja ny mpamokatra eto an-toerana mba hahafahany mivelatra kokoa ao anatin’ny lalam-pihariana ataony», hoy ny tale jeneraly lefitry ny Madavision, Ranaivo Rajaonarisoa Koloina. Araka izany, hampivondrona amina toerana iray ireo mpamboly, mpiompy, mpanjono sy mpamokatra ary mpandraharaha ara-tsakafo malagasy ny FIA mandritra ny efatr’andro. Kendrena ny hi­sian’ny fiaraha-miasa eo amin’ ireo mpisehatra sy ny hanokafana lalam-barotra eto an-toerana sy any ivelany. Hitondra ny fahaiza-manaony sy ny mampiavaka azy ireo mpandray anjara. Hisongadina ma­nokana ny lalan’ny famokarana hatramin’ny famadihana azy ho sakafo.
Mivelatra
Hampiroborobo ny vokatra sy ny tolotra misy eto amintsika ny hairanty. Manokatra fiaraha-miasa ho an’ny fampandrosoana ny toekarena, indrindra ny fironana mankany amin’ny famokarana maharitra.
Manao antso amin’ireo mpisehatra eo amin’ny fambolena sy fiompiana ary ny jono ny mpikarakara handray anjara amin’ny FIA. Singanina ma­nokana ireo mpandraharaha eto an-toerana sy avy any ivelany hitondra sy hifampizara ary hampahafantatra ny fahaiza-manao matihanina.
Nampahatsiahivin’ny tale jeneraly lefitry ny Madavision, fa maherin’ny 300 ireo tranoheva natokana ho an’ny mpandray anjara izay misandrahaka amina velarana 22 000m2. Notsindriany ma­no­kana fa hisy ny lohahevitra hifampizarana sy hanasana ny rehetra hampahafantarana ny tontolon’ny famokarana sy ny sakafo iarahana amin’ireo matihanina.

Henintsoa

Partager sur: