Paikady ahafahana manatanteraka ny fidinana ifotony sy hanaraha-maso ny jono sy ny toekarena manga ny fampitaovana ny minisitera hanatsarana ny fomba fiasa. Nisitraka fiara tsy mataho-dalana vaovao miisa roa avy amin’ny tetikasa Mionjo, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga, vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. « Natao hiasana sy hanatanterahana ny asa mifandraika amin’ny tetikasa ao amin’ny faritra Atsimo ireo fiara ireo. Hanampy ihany koa amin’ny fanatanterahana ireo asa sahanin’ny minisitera ary hanamafy ny fidinana ifotony atao», hoy ny minisitra Mahatante Paubert, nandritra ny fanolorana ny fampitaovana omaly, teny Ampandrianomby. Nasongadiny manokana fa mafy orina ny fiaraha-miasan’ny minisitera sy ny tetikasa hatramin’izay tamin’alalan’ny fampitaovana nataony.
Ankoatra izay, zava-dehibe ny hananantsika ny « drones maritimes » hanamafisana ny fanaraha-maso sy hitsirihana ny sisin-dranomasin’i Madagasikara. Hanampy amin’ny fanaovana tahirina solika ny fampiasana io fitaovana moderina io ka hanampy amin’ny fiadiana ny jono tsy ara-dalàna (pêche INN).
Henintsoa




