Harena an-kibon’ny tany: Ampiasana niomerika ny fahazoan-dalana

Feno 25 taona ny Biraon’ny kadasitry ny harena an-kibon’ ny tany eto Madagasikara (BCMM). Natao nandritra ny roa andro, ny 19 sy 20 jona teo, ny fankalazana, teny amin’ny Ivonterana Mining Business Center (MBC) Ivato. Nambaran’ ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, Rakotomalala Olivier Herindrainy, fa « anisan’ny zava-baovao ny fampiasana ny teknolojia niomerika, ampiasana QR Code, amin’ny fanomezan-dalana samihafa. Azo antoka, hisorohana ny ho­soka, fa tsy toy ny nampiasana ny fahazoan-dalana baoritra hatramin’izay ». Toraka izany koa ny fijerena ny sarintany misy ny harena ambanin’ny tany, hamantaran’ny mpandraharaha na ny mpisehatra ny toerana efa misy mpampiasa na tsia.
Hitohy ny fanavaozana ataon’ny BCMM, iarahana amin’ny Banky iraisam-pirenena. Tanjona ny hampiasana ny niomerika amin’ny dingana rehetra, toy ny fisafidianana ny toerana hitrandrahana, ny fikarakarana ny antontan-taratasy, ny fandoavana ny sarany ilaina, ny fandraisana ny tamberim-bidy, ny fisokajiana ny mpandraharaha indostrialy sy ny mpitrandraka madinika, sns.

Njaka A.

Partager sur: