Hanandratra ny fahaiza-manaon’ny tanora sy hampahafantatra ny vokatry ny indostria malagasy ny « Rallye des industries ». Kendrena ny hampivelatra ny traikefa sy hamolavolana toe-tsaina tia mandraharaha hanatsarana ny famokarana sy ny orinasa, indrindra hitiavan’ny daholobe ny vokatry ny indostria malagasy.
Nanomboka amin’ny fomba ofisialy omaly, tetsy amin’ny Auditorium Havoaria Anosy, ny «Rallye des industries» andiany voalohany, karakarain’ ny Sendikan’ny indostria eto Madagasikara (SIM). «Tanjona ny hampifandraisana ny tanora sy ny indostria mba hahatsapany ny fandraharahana ao anatin’ny tontolo», hoy ny filohan’ny SIM, Rasamimanana Tiana. Notsindriany manokana fa «fotoana iray ahafahan’ny tanora mampihatra ny fahalalana norantoviny ny fifaninanana atao». Misy dingana enina ny fizotry ny fifanintsanana izay haharitra iray volana ka hahafahan’ireo mpianatra avy amin’ny Oniversite 10 maneho ny fahalalana amin’ny ankapoben’ny indostria malagasy sy ny vokatra ataony. Andrasana amin’ireo mpianatra ny fandrafetana Business plan sy paikady ho fampandrosoana ny orinasa, sns. Hanome torolalana samihafa sy tantsoroko kosa ny filankevitra siantifika ary hanohana ireo tanora ny orinasa mpiahy ny tsirairay ka hiainan’izy ireo sahady ny fiainana eo anivon’ny orinasa.
Fanamby
«Tombony ho an’i Madagasikara ny fanànana tanora ho fanoitra ho an’ny fampandrosoana sy hampiroborobo ny toekarena», raha ny lahatenin’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Abdulah Marson Moustapha. Mila omen-danja sy tohanana, hoy izy, ny tanora hahafahantsika mandroso sy manana hoavy mamiratra. Toe-tsaina hitondrana ny « Rallye des industries » ny hampiroboroboana ny fahaiza-manao sy hanakaikezana ny toekarena. Hamantaran’ ny Malagasy sy hitiavan’ny rehetra ihany koa ny vokatry ny indostria eto an-toerana. Araka izany, hofanina hahita ny eny anivon’ny indostria ireo tanora hahazo traikefa ka hampiharana izany ao anatin’ny tontolon’ny famokarana indostrialy. Ho masoivohon’ny indostria eny anivon’ny fiarahamonina ihany koa izy ireo ka hizara ho an’ ny rehetra ny tombontsoa sy ny hatsaran’ny vokatra malagasy.
Henintsoa




