Hatao kaominina filamatra ny eny Tanjombato amin’ny fanodinana ny fako plastika ho lasa vokatra vaovao indray. Natao sonia, omaly, ny fifanarahana eo amin’ny kaominina, ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd) ary ny orinasa Société de fabrication de l’Océan Indien (SFOI). Mifantoka amin’ny fanangonana ny fako plastika ao amin’ny kaominina Tanjombato, vidian’ny orinasa SFOI, ary ahodina ho lasa vokatra vaovao indray avy eo. Nambaran’ny minisitra Medd, Andonirina Max Fontaine, fa endriky ny Toekarena mihodina ity tetikasa ity. Miteraka asa ho an’ny mponina, sady miaro ny tontolo iainana. Manohana ny hetsika toy izao hatrany ny minisitera.
Nilaza ny ben’ny Tanànan’ i Tanjombato, Rakotoniaina Fréderic, fa mahatratra 4 t/andro ny fako ao amin’ny kaominina. Efa misy ny fanodinana ny fako ao an-trano ho lasa zezika, ka vao mainka ho tsara ny fanodinana ny plastika hataon’ny SFOI. Nanazava ny tale jeneraly (DG) ny SFOI, Amin Nandji, fa 2 000 t/taona ny fako plastika ilain’ny orinasa, mampiasa olona 500 ary mbola hitombo izany. Nitarina ny fividianana fako plastika avy any ivelany, efa ho 3 taona izao. Havadika vokatra hafa vaovao, toy ny koveta, siny, fitoeram-pako, sns, ny plastika efa niasa. Manampy ireo, mamboly hazo ny orinasa sady mifantoka amin’ny fanadiovana ny tanàna.
Njaka A.




