VAOVAO TAMBATRA

Hisy toby fitahirizan-drano hatsangana avy amin’ny reniranon’Ikopa sy ivontoerana fanadiovana ary famokarana rano eny Amoronankona. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa “Jirama Water III”, famatsiam-bola avy amin’ny Banky eoropeanina ho an’ny fampiasam-bola (BEI) sy ny fanjakana malagasy.
Mandroso ny fanitarana ho lalana efatra (4 voies) ny eo amin’ny fihodinana Tsarasaotra hatreny Ivato, mirefy 11 km. Hovitaina mialoha ny fetim-pirenena ny ampahany voalohany, mandalo ny farihy Lac Iarivo Ivato. Mandroso ihany koa ny fanamboarana ny arabe migodana, eo amin’ny Lac Iarivo (PK 0) hatrany Ambohimanga, PK9.
Tonga any Andranomena Toliara, ny 18 jona teo, ny fanafody famonoam-balala 30 000 L, fanampin’ny 80 000 L efa tonga tamin’ny 24 mey. Nalefa tahirizina any amin’ny mangazay any Ihosy sy Sakaraha ny 3 000 L tsirairay avy, hiatrehana ny famonoam-balala any amin’ny faritra Ihorombe, Anosy ary Atsimo Andrefana.
Mitentina 20 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola ho an’ny tetikasa Repair, avy amin’ny Banky iraisam-pirenena. Vola ho an’ny firenena afrikanina miatrika ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny mety ho ambana hafa, toa an’i Madagasikara. Mitsinjara hatao tahiry ny 15 tapitrisa dolara, ary hatao fiantohana ny 5 tapitrisa dolara.

Partager sur: