Noraisin’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, teny Faravohitra, omaly, ny solontena maharitry ny Banky iraisam-pirenena, Atou Seck. Voaresaka ny momba ny fampiasam-bola.
Navoitran’ity iraky ny mpamatsy vola ity ny anjara toerana lehibe sahanin’ny minisiteran’ny Fitsarana eo amin’ny lafiny fampandrosoana ara-toekarena. “Tsy misy antoka ho an’ ny mpampiasa vola amin’ny fametrahana orinasa ary tsy misy ny famoronana asa, anisan’ny antoka lehibe amin’ny fivoarana ara-toekarena, raha tsy mipetraka amin’ny tokony ho toerany sy manatanteraka ny asany araka ny tokony ho izy ny Fitsarana”, hoy izy. Nanteriny fa zava-dehibe izany. Niompanan’ny fihaonana koa ny momba ny fanavaozana tanteraka ny lalàna mifehy ny antoka na “Refonte de la loi sur les sûretés”. Volavolan-dalàna ho entin’ny minisitra eny anivon’ny rafitra mpanapaka isan-tsokajiny.
Fitantanana ny fiankohonana
Eo koa ny momba ny fanarenana ara-pitsarana ny kaompania Air Madagascar, ankehitriny. Manampy izany ny momba ny tetikasa “Projet de gouvernance digitale et de gestion de l’identité – Prodigy”. Anisan’ny mandray anjara amin’izany ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana ka tafiditra ao anatin’izany ny amin’ny fanavaozana ny fitantanana ny fiankohonana sy ny fanondroana “Réforme de l’état-civil et de l’identité”.
Nitondran’ny minisitry ny Fitsarana ireo dingana samihafa tsy maintsy izorana amin’ny fanatanterahana ny asa mifandraika amin’ireo voaresaka rehetra ireo.
Samy naneho ny fahavononany ny andaniny sy ny ankilay ny amin’ny mety ho endrika fiaraha-miasa sy fanohanana ilaina mba hanatrarana ny tanjona mitondra ho amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara.
Synèse R.




