Fiarovana ny tontolo iainana: fomba ahafahan’ny orinasa mifaninana ny RSE

Efa tafiditra ao anatin’ny paikadin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd) ny fampandraisana andraikitra ny orinasa tsy miankina amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Natao ny 19 jona teo, tetsy amin’ny Café de la Gare Soa­rano, ny hetsika Andraikitry ny orinasa ara-tsosialy (RSE) sady Paikady hisian’ny fampandrosoana maharitra (IDD), andiany faha-10. Nikarakara ny hetsika ny orinasa Innoveo. Toy ny mahazatra, anisan’ny miahy azy ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra.

Efa napetraka tato anatin’ ny 10 taona izao ny Paikadim-pirenena RSE. Natao izany mba ho lasa fitaovana ahafahan’ny orinasa tsirairay mifaninana, anehoana ny maha izy azy eo anivon’ny firenena sy ny iraisam-pirenena. Tanjona ny handraisan’ny orinasa tsirairay andraikitra ho fiarovana ny harena voajanahary sady fitsinjovana ny vondrona olona eny ifotony. Ankehitriny, lasa sehatra iray manan-danja ho fanapariahana ny fahaiza-manao sy ny soatoavina ho an’ny fandrosoana lovainjafy ny « Salon RSE ».

Nitarika ny fotoana ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana, Dewa Viviane, sy ny solontena avy amin’ny minisitera Medd, notronin’ny filohan’ny Sendikan’ny indostria eto Madagasikara (Sim), Rasa­mimanana Tiana, ary olo-manankaja maro.

Njaka A.

Partager sur: