Kaominina Arivonimamo II: nizara karatany 25 493 ny minisitera MFFT

Notanterahina omaly, teny amin’ny kaominina Arivonimamo II, ny fizarana karatany miisa 25 493. Ity tanàna ity izay anisan’ireo kaominina 26 misitraka ny tetikasa Tafita. Ny hetsika tahaka izao dia eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFTT), izay tarihin’ny mi­­nisitra Andriantsitohaina Naina.

Tafiditra amin’ny fandaharanasa « Afafi Centre », ary vatsian’ny Vondrona eoropeanina vola. Araka ny fanaza­vana azo, mitentina 2 tapitrisa euros, ny vola vatsian’ity firaisambe eoropeanina ity, ho an’ny tetikasa.

Tanjona ny fisorohana ny resaka ady tany, ary ho fanamafisana ny olona hiditra
amin’ny ara-dalàna. Tsiahivina fa ity no fizarana karatany an­diany fahatelo nataon’ny tomponandraikitra, ary nihoatra ny 60 000 mahery ny efa voazara.
Araka ny fanadihadiana natao, hifarana ny volana ao­gositra ho avy izao ity hetsika ity ary hirarian’ny maro ny hitohizany.

Nahatratra 80 000 ireo olona nanao fangatahana ny hahazo karatany. Ny taona 2022, nanaovana fizarana karatany voalohany, teny amin’ ny kaominina Miantso ary teny Ambohitromby, ny febroary lasa teo.

F.R

Hoy izy ireo :

Ravelojaona Michel, lehilahy iray monina eo amin’ny fokontany Antanibe.
« Zava-dehibe amin’izy ity, efa misoratra aminao ara-dalàna ny tany ary azo antoka tsara izany hatrany amin’ireo taranaka fara madimby ”.

Merthine Lalao, vehivavy monina eny Sambaika Ariva.
“ Misaotra ireo manam-pahefana fa mivaly ny hetahetanay mpamboly sy mpiompy. Ilaina tsara ny karatany satria natao hiarovana ny taninao any aoriana any izany ”.

Partager sur: