Nanolotra fitaovana sy kojakoja samihafa ho an’ny Biraom-paritry ny loza voanajahary (BNGRC) Atsinanana, ny orinasa Ambatovy, ny 17 jona teo. Nanao sonia ny fifanarahana ny Tale jeneraly (DG) ny BNGRC, ny jeneraly Andriakaja Elack Olivier, sy ny talen’ny maha olona Ambatovy, Lasmaydah Sirega. Nanotrona koa ireo olo-manankaja maro, notarihin’ny préfet Toamasina, Benandrasana Cyrile, ny governora mpisolo toerana ary ny ben’ny Tanàna Toamasina. Fitaovana maro toy ny vata fampangatsiahana, fahitalavitra, seza sy latabatra, solaitra be, solosaina, trano lay, sns no natolotra.
Voalaza nandritra ny fifandimbiasam-pitenenana, fa faritra anisan’ny tena lasibatry ny loza voajanahary, indrindra ny tondradrano, i Toamasina. Koa, ilaina ny drafitra maty paika, toy ny fampitaovana toy izao, ho fiatrehana ny loza mba tsy hiantraika mafy eo amin’ny rafi-piarahamonina. Nohamafisin’
ny jeneraly Andriakaja Elack, fa ilaina ny fampitaovana, izay tokony ho kojakojaina sy kolokoloina.
Sajo sy Njaka A.




