Miantoka ny fampandrosoana ny toekarena ny fahaiza-mitantana ny trosam-panjakana. Tao anatin’ny 10 taona, mijanona amin’ny antonony ny trosan’i Madagasikara.
Tanterahina eto Madagasikara, mandritra ny telo andro, ny 24 ka hatramin’ny 26 jona, ny «Forum d’été du club des dirigeants de banques et établissement financiers d’Afrique» handinihina ny toekarena. Lohahevitra tamin’ity taona ity ny handrindrana ny trosam-panjakana aty Afrika: fanamby sy vahaolana entin’ireo banky sy ny banky foibe ». «Mifandinika mandritra izao fivoriana izao ny banky eto Afrika mba hanampiana ny firenena sy ny mponina ao aminy mba hampivoarana ny firenena araka ny tokony ho izy», hoy ny governoran’ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM) Andrianarivelo Aivo, nandritra ny fanokafana ny hetsika, omaly, tetsy amin’ny Carlton Anosy. Nasongadiny manokana fa tokony hiantraika any amin’ny fiainan’ny mponina ny trosa ataon’ny fanjakana mba hitarika amin’ny fampandrosoana. Kendrena ny handrindrana sy hanohana ny toekarena eto an-toerana toa an’i Madagasikara izay tsy afa-miala amin’ny fitrosana. Navoitry ny governoran’ny BFM fa manampy amin’ny fampivoarana ny toekarena ny fampitrosana raha toa mitondra tombontsoa iraisan’ny daholobe izany, toa ny olan’ny angovo sy ny famatsian-drano, aina iankinan’ny famokarana sy indostria eto amintsika.
Fikaonandoha
Mahasarika ireo mpamatsy vola vahiny i Madagasikara noho isika manana ireo otrikarena azo trandrahina hampandrosoana ny toekarena. «Endettement modéré i Madagasikara ary tanjona ny hanamorana ny fandoavana ireo trosam-panjakana hanomezana aina ny toekarena malagasy», hoy ny filohan’ny Club des dirigeants de banques et établissements financiers d’Afrique, Dr Nguéto Tiraina Yambaye. Miantoka ny fampandrosoana ny toekarena ny fandrindrana araka ny tokony ho izy ny fitrosan’ny firenena iray.
Henintsoa




