Nosantarina teny amin’ny CCI Ivato, omaly, ireo fiarabe mpitatitra marika Foton miisa 42. Ampahany voalohany ireo, fa hisy 270 hafa ho avy.
Hitaterana maimaimpoana ny olona hijery afomanga, anio 25 jona, eny amin’ny toeram-pialamboly vaovao, Lac Iarivo, ireo fiarabe mpitatitra vaovao, marika Foton avy any Sina. Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny faha-65 taona niverenan’ny fahaleovantena ny hetsika. Miisa 42 izy ireo, ka mandeha amin’ ny herinaratra ny 12 raha mandeha solika gazoala na termika ny 30. Natolotry ny filoha lefitry ny orinasa Foton ny filoha Rajoelina Andry, omaly, teny Ivato, ny fanalahidin’ireo fiarabe ireo. Nilaza ny minisitry ny Fitaterana fa ampahany voalohany ireo tonga ireo, fa hisy 100 hafa ho tonga afaka tapa-bolana. Ho avy amin’ny faran’ny jolay na fiandohan’ny aogositra kosa ny ampahany fahatelo miisa 170. Haparitaka manerana ny Nosy ireo fiarabe mpitatitra ireo, toy ny any Nosy Be, Antsirabe, Toamasina, Fianarantsoa, Mahajanga ary Toliara.
Hiteraka asa 1 500
Notsipihin’ny Filoha Rajoelina Andry, fa miisa 1 500 ny asa hiforona amin’ireto fiarabe ireto. Mahakasika ny fiarabe elektrika miisa 12, olona 48 ny hiasa aminy satria mila mpamily 3 isaky ny fiara iray. Hiteraka asa miisa 200 ny zotra vaovao hapetraka eny Tsarasaotra.
Mahavita halavirana 260 km ny fiarabe elektrika iray, misoroka amin’ny fandaniana solika sady miaro ny tontolo iainana.
Natao mifanaraka amin’ny lalana eto Madagasikara ireo fiarabe mpitatitra ireo. Efa tonga avokoa ny kojakoja ilaina raha misy fahasimbana. Misy toeram-panofanana ny mpamily sy ny mpanamboatra fiara.
Nividy ireo fiarabe ireo ny fanjakana malagasy. Hisy fifanarahana ho an’ireo mpitatitra liana hividy azy na hanofa. Anisan’ny nanatrika ny fotoana teny Ivato ny solontenan’ny mpitatitra sy ireo mpamily efa nofanina hitondra ny fiarabe mpitatitra elektrika.
Njaka Andriantefiarinesy




