Liana hampiasa vola amin’ny fananganana fotodrafitrasam-pitaterana eto Madagasikara i Egypte. Hojerena manokana ireo soa fanararaotra hanatsarana ny fandraharahana sy ny tombontsoa ara-toekaren’ny firenena roa tonta.
Vonona hiara-miasa sy hanohana an’i Madagasikara amin’ny fananganana fotodrafitrasam-pitaterana ny Repoblika Arabo Egyptianina. Nivoitra izany nandritra « Business forum », fihaonan’ireo mpandraharaha egyptianina tamin’ireo solontenan’ny governemanta tetsy amin’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria Antananarivo (CCIA), ny alatsinainy teo. Manana traikefa sy fahaiza-manao ary vonona hampiasa vola hanatsarana ny sehatry ny fitaterana eto amintsika ireo mpandraharaha ireo. « Hojerena avokoa ireo sehatra azo hiara-miasa sy ny soa fanararaotra ao anatin’ny fandraharahana ho an’ny tombontsoa iraisana », hoy ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Ramonjavelo Valery. Kihon-dalana stratejika amin’ny fifanakalozana samihafa i Madagasikara, antony indrindra hanatsarana ny sehatry ny fitaterana eto amintsika. Voakasika ao anatin’izany ny fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy, ny fitaterana an-dalamby, ana habakabaka, ny fanatsarana ny tambajotram-pifamoivoizana an-tanety ary ny fampiroboroboana ny fampiasana ny angovo azo havaozina.
Mpiara-miombon’antoka
« Andraikitry ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM) ny manohana ny fampiasam-bola eto amintsika » hoy ny filohan’ny filankevi-pitantanany, Joël. Notsindriany manokana fa anisan’ireo misehatra amin’ny fanamboarana ny lalambe migodana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina ireo mpandraharaha Egyptianina. Ary firenena faharoa hampiasany vola aty amin’ny ranomasimbe Indianina i Madagasikara, aorian’ny Nosy Kaomoro. Marihina fa miisa 23 ireo mpandraharaha Egyptianina vonona hitondra ny fahaiza-manaony eto amintsika.
Henintsoa




