Nomarihin’ny filoha Rajoelina Andry, omaly, nandritra ny fandraisana ireo fiarabe mpitatitra vaovao teny amin’ny CCI Ivato, fa handeha tsy ho ela ihany koa ny fitaterana zotra an-dalamby an-tanàn-dehibe (train urbain) sy ny fitaterana an-tariby teleferika. Ny mampiavaka ny teleferika, hisy olona 500 tsy maintsy hofanina hiasa. Hatao mahaleo tena ny herinaratra mampandeha azy, fa tsy hiankina amin’ny Jirama.
Raha hiverenana ny eny amin’ny toeram-pialamboly vaovao Lac Iarivo Ivato, hisy ny fatsitsi-drano (jet d’eau). Hatao eny, anio 25 jona, ny fandefasana afomanga. Hotaterina maimaimpoana, amin’ny fiarabe elektrika ny rehetra, manomboka amin’ny 12 atoandro hatramin’ny 7 ora latsaka fahefany (18h45). Avy eo, hotaterina hiverina indray ny rehetra hatramin’ny 11 ora alina mankeny Tsarasaotra. Nolazain’ny filoham-pirenena, fa « hahafinaritra ahy ny hahita ny vahoaka malagasy mba hitaingina fiarabe vaovao, hijery an’izany fialamboly sy ny fankalazana ny fahaleovantena ao anatin’ny hoe reharehan’ny Malagasy sy Madagasikara. Mendrika fitaterana madio manaraka ny fenitra isika, ankehitriny. Samy hafa ny mipetraka amin’ny seza volamena (ilay anaty taksibe) sy ny seza diamondra amin’ny alalan’ny tsiky sy hafaliana asehonareo ».
Njaka A.




