Anatin’ny fanarenana sy ny fanavaozana hatrany ny kaompania Madagascar Airlines amin’izao. Nohavaozina ny fifanarahana fanofana fiaramanidina ATR-72 miisa roa amin’ny orinasa Abelo ho an’ireo mitondra ny laharana 5R-MJF sy 5R-EJB. Hampiasaina hatramin’ny volana janoary 2028 ny voalohany, raha hihitatra hatrany amin’ny volana novambra 2029 kosa ny faharoa, izay samy hanao sidina anatiny avokoa.
Tafiditra ao anatin’ny Drafi-panarenana Phénix 2030 sy ny taondrozotra ny kaompania ity fanapahan-kevitra stratejika ity. « Manamafy orina ny fitokisan’ireo mpiara-miombon’antoka izao fanitaram-pifanaraha-miasa izao », hoy ny tale jeneralin’ny Madagascar Airlines, Thierry de Bailleul. Notsindriny fa zava-dehibe ny fomba fiasa napetraka ary dingana iray hafa mampirindra ny sidina eto an-toerana sy manatsara ny sehatry ny fizahantany izany.
Mivoatra
Mitohy ny ezaka. Ankehitriny, mihatsara toerana ny kaompania eo amin’ny indostrian’ny fitaterana ana habakabaka sady nahazo mpiara-miombon’antoka azo itokisana ny orinasa. « Faly izahay manohana ny Madagascar Airlines amin’ny fanovana ataony. Porofo ny fahavononana hanitatra ny fifandraisan-davitra amin’ny fanavaozana ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny roa tonta no natao», araka ny fanazavan’ny tale jeneraly Abelo Steve Gorman. Marihina fa vokatry ny fifampitokisana sy ny finiavan’ny roa tonta hanarina ny kaompania ny tanjona anatin’izao fiaraha-miasa izao.
Henintsoa




