Fampakarana ny TVA ho 20%: andrasana ny valin’ny diniky ny Gem sy ny Fivmpama

Tamim-pahatairana no nandraisan’ny mpanjifan’ny banky ny fampiharana ny TVA 20 % taorian’ny fanambaran’ ny « Association professionnelle des banques de Mada­gas­car » (APB) momba ny fampakarana ny hetra amin’ny zana-bola amin’ny findramam-bola, ny taha 20%.  Nilaza ny APB fa mihatra manomboka ny 1 jolay izao io fepetra io. Ma­­noloana ny efa ahiahin’ny mpanjifa, nanamafy ny APB fa mbola mitohy ny dinika sy fifanarahana ao amin’ny Fikam­ba­­nan’ny orinasa malagasy (Gem) sy ny Fikambanan’ny mpandra­haraha malagasy (Fivm­pama). « Handalo fotoan-tsarotra ny orinasa sy ny mpan­draharaha manoloana ny zava-misy », hoy ny mpahay toekarena Ra­kotoarisoa An­dri­antahina. No­tohizany fa tokony hapetraka eto Mad­agasikara ny bankin’ ny fampandrosoana, hahafahan’ ny olon-tsotra mindram-bola sy ny fanjakana manohana ny Malagasy mpandraharaha.

Fiantraikany
« Hanimba ny fiharian’ireo orinasa madinika sy salan­tsalany (PME) sy ny olon-tsotra ity fanapahan-kevitra ity », hoy ny mpanjifa iray. Voaka­sika mivantana ireo mpandraharaha madinika, mazàna mindram-bola eny anivon’ny banky entina hamatsiana sy hampihodinana ny orinasany. « Very hevitra aho, ny vola nindramiko mbola misy tsy voaloa nefa hiakatra sahady ity ny hetra amin’ny zana-bola », hoy ny fitarainan’ny mpandraharaha iray. Notohizany fa voatery hampiakatra ny vidin’ entana amidy izy ahafahany mandoa ilay TVA. Na izany, manahy ny hampihena ny mpan­jifa sy ny fahafaha-mamokatra io fepetra vaovao io. Nilaza kosa ny mpanjifa iray fa ho sakana amin’ny fanatanterahana ny tetikasany ny fanapahan-kevitra vaovao. « Hana­nosarotra ny fanatanterahana tetikasa. Hihena ny isan’ny mpindram-bola, ao koa ireo voatery hampitsahatra izany vantany vao voaloa ny vola nin­dramina rehetra », hoy ny fanazavany.

Henintsoa

Partager sur: