Maro sahady ny zava-bita, na tsy mbola miditra amin’ny lafiny fitrandrahana aza ny tetikasa Base. Tena nahitana taratra izany ny fiantraikan’ny tohana maro ho an’ny mponina.
Mitondra tsirim-panantenana ho an’ny mponina ny fisian’ny orinasa Base Toliara. Miarina tsikelikely ny lafiny toekarena sy sosialy any an-toerana, tao anatin’ izay enim-bolana izay. Nilaza ny sefo fokontany Belalanda, Randria Norbert Antoine, fa maro ny orinasa hitako nikatona taty Toliara. Irinay ny hahitan’ ny zanakay sy ny taranakay mifandimby asa ao amin’ny Base.
Nisongadina ny « Asa tanamaro » ho an’ny mponina manodidina ny 6 000 any Toliara I sy II (Tsianisiha sy Ankilimalinike), nanomboka ny niverenan’ny orinasa nisokatra indray, ny novambra 2024 hatramin’ny avrily 2025 teo. Anisan’izany ny fanarenana ny vahilava any Nosy Magnitsy, akaikin’ny morontsiraka Andaboy, ny fambolena taretra hiarovana ny fikisaky ny rivo-pasika, sns. Fitakiana nataon’ ny mponina daholo ny nanaovana an’ireo.
« Tanàna madio »
Teo koa ny fanadiovana ny lakandranom-pambolena any Besakoa, Ambohitsabo ary Anketraka, toy ny any Andoharano, Mamovoke ary Tsianisiha. Notsipihin’i Clément Jean Baptiste, sefo fokontany Anketraka, fa tena nilainay ity zava-bita ity, sady nanomezana tambin-karama anay no nampandroso ny tanàna rahateo. Nohatsaraina ny lakandrano sy ny lalana ary ny tsena any Tsinjoariky sy Bekoaky. Manohana amin’ny fikarakarana ny fifaninanana « Tanàna madio » any Toliara, karakarain’ny fanjakana, ny orinasa Base. « Manampy amin’ny fanarenana ny lalan-dratsy ao an-tampon-tanàna izahay », hoy i Herimanana Jonathan, tomponandraikitry ny Fampandrosoana ny faritra sy ny sehatra tsy miankina ao amin’ ny Base.
Nambaran’i Normasy, mponina any Besakoa, fa niaraka tamin’ireo nanohitra ny tetikasa izy tany aloha, saingy tsapany, ankehitriny, fa tena nitondra tombontsoa maro ho azy ireo izy izao.
Njaka Andriantefiarinesy




