Mois : juin 2025

Toamasina: Notriarin-dramatoa zava-maranitra ny vadiny

Norasain-dramatoa tamin’ny zava-maranitra « lame » ny vadiny tao Ankirihiry, parisela 11/58, kaominina Toamasina, ny 12 jona teo. Tsy nanana sigara ho fohana, nangataka tamin’ny ramatoa vadiny hitsoriaka hividy any an-tsenakely io lehilahy io. Nifanena tamin’ny namany anefa izy ka tafaraka nisotrosotro. Nilaza ho tsy manam-bola io lehilahy io saingy tsy nanaiky […]

Fahapoizinana tamin’ny sakafo: Tanora vao erotrerony 12 mianadahy niara-maty

Tanora miisa 12 no maty vokatry ny fahapoizinana ara-tsakafo ny alin’ny sabotsy lasa teo, teny Ambohimangakely. Mbola misy 13 mianadahy anaty fahasarotana hatramin’ny fotoana nanoratanay. Araka ny vaovao navoakan’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina halina, 12 no namoy ny ainy tamin’ilay fahapoizinana ara-tsakafo teny Ambohiman­gakely, ny alin’ny sabotsy. Maty tao […]

Herisetra amin’ny varira: 24 nalaina an-keriny, 12 no maty tamin’ity taona 2025 ity

Voasokajy ao anatin’ ny marefo ny olona manana toetena va­rira satria iharan’ny herisetra maro. Iray amin’ireny ny fakana an-keriny sy ny famonoana amin’ny fomba feno habibiana Manodidina ny 800 ha­tramin’ny 1 000 eo ny isan’ny olona ma­nana toetena varira (albinisme) voaisa eto Mada­gasikara, raha ny tatitra voaray teo anivon’ny fikambanana […]

10 taona ny Cosmos : Maro ny hetsika fanamarihana

Ao anatin’ny fandraisan andraikitra ara-tsosialy sy tontolo iaianana (RSE) sy ho fankalazana ny faha-10 taonany, niara-nientana namboly zana-kazo miisa 1 000 sy fihinam-boa miisa 3 000 ny mpirara-miombon’antoka amin’ny orinasa Cosmos sy ny Uditec manerana ny Nosy. Nifanolo-tanana tamin’izany ireo mpiara-miasa rehetra miisa 400 manerana an’i Madagasikara. Ankoatra izay, nanamafy ny […]

Madagascar Airlines : Azo atao ana habaka ny famandrihan-toerana

Mitondra fanavaozana amin’ireo tolotra ataony ny kaompania Madagascar Airlines. Ankehitriny, azo atao ana habaka ny famandrihana toerana. Mba hanakaikezana ny mpanjifa, natsangana ny tranokalan’ny orinasa: www.madagascarairlines.com. Vokatra azo tamin’ny fiaraha-miasa amin’ny Amadeus, mpisehatra mavitrika sy mampiasa ny teknolojia eo amin’ny tontolon’ny sidina. Araka izany, azon’ny mpandeha atao ny mamandrika sy […]