Mois : juin 2025

Banky iraisam-pirenena: Mahantra ny olona miaina amina 3 dolara isan’andro

Voasokajy ho mahantra ny olona mivelona amina vola 3 dolara isan’andro, ho an’ireo firenena manana fidiram-bola ambany. Nahitam-panitsiana ny tondrom-pamaritana ny fahantrana, araka ny tatitra navoakan’ny Banky iraisam-pirenena. Ankehitriny, lasa 4,20 dolara ny vola iainan’ ireo mponina amina firenena mahantra amin’ny antonony, raha 8,40 dolara izany ho an’ ireo firenena […]

INDRAY MIJERY

Tatitry ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina. Ilaina ny fiaraha-miasa akaiky amin’ireo solombavambahoaka, ho amin’ny fandraisana an-tanana ireo olona marefo isan-tsokajiny, ny fanohanana ireo fikambanam-behivavy manana tetikasa mitondra amin’ny fampizakan-tena, ny fandraketana ireo tokantrano marefo ao anatin’ny rejisitra sosialy tokana. Nisitraka fampiofanana ny mpiasa ao amin’ny Mesupres. Notanterahin’ny MEF […]

“Loharano II” : Hidina ifotony ireo tanora dispora miisa 17

Noraisina tetsy amin’ny Café de la Gare, Soarano, ny zoma lasa teo, ireo tanora mpilatsaka an-tsitrapo 17 (20 – 35 taona) avy amin’ny diaspora malagasy. Hetsika ao anatin’ny fandaharanasa “loharano II”, tantsoroka ho an’ny diaspora (Tady). Hampiro­boro­boana ny fandraisana anjaran’ny tanora, Malagasy sy any am-piele­zana. Hidina an-tsehatra hanao fanentanana sy […]

Natiora defenders : Nahazo ny “Intentional Award 2025”

Nahazo ny “Intentional Award” tamin’ny Lush Spring Prize 2025 notontosaina tany Dorset, Royaume-Uni, ny fikambanana Natiora Defenders, misehatra amin’ny fiarovana ny tontolo iai­nana ka manome lanja ireo mpiantsehatra miaro ny rohivoahary eto Madagasikara. 19 ireo notolorana fankasitrahana ka iray amin’ireo ny fikambanana. Nisongadina tamin’ny asa fanoha­nana ireo mpanjono madinika ny […]

Fanadinana CEPE-2025 : 571 367 ny mpiadina manerana ny Nosy

“Tsy fotoana famerenana na fianarana intsony ny anio ho an’ireo mpanala fanadinana CEPE”, hoy ny mpanabe. Fandaminana ny fitaovana sy ny taratasy fiantsoana miaraka amin’ny karatra maha mpianatra no tena zava-dehibe. Mila fiomanana koa ny fitaterana hisorohana ny fahatarana eo am-pidirana. Rahampitso talata no hiatrika ny fanadinana CEPE ny mpiadina […]