Manana filoha vaovao hitantana azy mandritra ny dimy taona ny fikambanana mampiray ny mpanao gazety ara-panatanjahantena, na “UJSM”. Hitondra izany ny mpanao gazety, Rabenaivo Alain. Notontosaina omaly, tetsy amin’ny biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM), ny fifamindram-pahefana teo amin’ny filoha teo aloha UJSM, Rasanda Serge, sy ny mpitondra vaovao ny […]
Mois : juin 2025
Jono antsokosoko: Naiditra am-ponja ireo srilankey
Nitotaly 17, 143 taonina ny antsantsa, fa tsy 16 taonina, rehefa tena navoaka tao anatin’ilay sambo Ruth Baba 6, tratra nanjono tsy ara-dalàna, ny 5 jona teo, tany Cap St André, Besalampy. Naiditra am-ponja vonjimaika avy hatrany ireo tantsambo teratany srilankey valo lahy. Nanatanteraka ny fitsirihana sy ny fanadihadiana ny Diredd […]
Faritra Vakinankaratra : Mametraka ny tany tan-dalàna ny prefet
Mitohy isam-bolana tahaka ny fanao ny fihaonan’ireo solontenam-panjakana miaraka amin’ny governoran’ny faritra Vakinankaratra amin’ny mpanao gazety. Anisan’izany ny notanterahina ny herinandro teo, tao Antsirabe. Nandray ireo solontenam-panjakana, toy ny Prefet, sefo distrika, lehiben’ny “Centre d’immatriculateur Antsirabe – Cim” ny eo anivon’ny faritra Vakinankaratra. Tafiditra amin’ny fihaonana fanao isam-bolana eo anivon’ny […]
INDRAY MIJERY
Nanamarika ny 25 taona nampianarany ny sampana Science et ingénierie des matériaux (SIM) eo anivon’ny Sekoly ambony Polytechnique Antananarivo, ny herinandro lasa teo. Anisan’ny fototra amin’ny famolavolana injeniera manana ny fahaizana manokana momba ny « matériaux » io sampam-piofanana io. « 18 000 Ar isan-taona ny hofan’ny tranon’ny mpianatra eny Vontovorona », hoy ny talen’ny […]
Infirmiera eto Madagasikara : Ankatoavin’ny iraisam-pirenena
Mandray anjara amin’ny zaikabe iraisam-pirenen’ny infirmiera any Helsinki, Finlande ny filohan’ny holafitry ny infirmiera eto Madagasikara (Conim), Andrianarison John na i John Love. Sehatra hahafahana mivelatra sy mitondra ambony ny lentan’ny infirmiera eto Madagasikara ity atrehina any an-toerana ity, hoy izy. Efa mpikambana feno ao amin’ ny filankevitra iraisam-pirenen’ny mpitsabo […]




