Kilan’ny afo ny tranon’ny Pretra ao Alarobia Ambatomanga, omaly vao mangiran-dratsy. Fifampikasohan’ny herinaratra no niandohan’ny firehetana, araka ny loharanom-baovao. May avokoa ny efitra rehetra tao amin’ilay trano misy rihana. Mitohy ny fikarohana ilay lehilahy nanolana sady namono ny sakaizany tao Ambatovato, fokontany Antsikafoka, kaominin’i Mahambo, distrikan’i Fenerive Atsinanana. Notsatotsatohan’io lehilahy […]
Mois : juin 2025
Trafikana voamaso : Fito lahy voasambotry ny polisy
Voasambotry ny polisim-pirenena tao amin’ny fokontany Besavoa, afakomaly maraina, ny lehilahy fito, voarohirohy amin’ny fisolokiana sy fanaovana trafikana voamaso. Naharay angom-baovao tamin’olona tsara sitrapo ny Sampandraharaham-paritra misahana ny fanenjehana fandikan-dalàna Ihosy tamin’ ny 6 ora maraina fa misy andian’olona mandehandeha sy mivezivezy ao an-tampon-tanàn’Ihosy, hitady mpividy voamaso. Nidina ifotony nanao […]
Saika hanondrana volamena: Teratany indianina naiditra am-ponja
Natolotra ny fampanoavana, eny anivon’ny fitsarana Anosy, afakomaly, ilay teratany indianina saika hanondrana antsokosoko vovo-bolamena ho any Dubaï, ny 5 jona lasa teo. Naiditra vonjimaika am-ponja eny Tsiafahy ny tenany taorian’ny valim-pitsarana. Nilanja 422,72 g ny ny harem-pirenena sarobidy teny aminy, saron’ny polisy misahana ny sisintany eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. […]
Avy nifoka zava-mahadomelina: Naiditra eny Tsiafahy ilay namono zaza 4 taona
Niakatra fampanoavana omaly, notanana vonjimaika any am-ponja, ilay lehilahy nanolana sady namono zazavavy tao Miarinarivo. Fidorohana rongony no nanosika azy hanolana. Naiditra vonjimaika eny Tsiafahy, omaly, ny lehilahy nanolana sady namono zazavavy vao 4 taona monja tao amin’ny kaominina Antoby Atsinanana, distrikan’i Miarinarivo. “Niaiky ny heloka vitany izy. Nanao ny […]




