Mois : juin 2025

Tily eto Madagasikara: Vita ny lalan’ny Tily sy ny tsangambato faha-100 taona

Notokanana ny faran’ny herinandro lasa teo ny lalan’ny Tily eto Madagasikara, mi­refy 3,5 km, mampitohy an’ Ambatofotsy avaradrano amin’ny Tranombitsika Antsaha­ma­rofoza. Nanotrona ny lanonana ny tomponandraikitry ny fikambanana, Rasamoelina Herifidy sy Rakotoarimanana Tamby. Taorian’ny fitokanana, nisy ny diabe skoto nanaraka izany lalana izany, niarahan’ireo delegasionina maro samihafa avy any amin’ny […]

Fikambanana Imianta: Hatsangana ny vala fanaovana savika

Nivoitra nandritra ny resaka nifanaovana tamin’ny fikambanana Imianta, izay ivondronan’ireo terak’Imady, fa hatsangana eny amin’ny kaominina Bongatsara ny vala fanaovana savika. Io no anisan’ny fotodrafitrasa hapetraka amin’ilay tany mirefy 2ha, hanandratana ny kolontsain’Imady. Hatsangana koa ny ivontoeram-piofanana mamboly sy miompy izay hisokatra ho an’ny rehetra hanajariana ny toerana. Manodidina ny […]

Olan’ny jiro sy rano eny Vontovorona : Nisy ny vahaolana maika napetraka

Tonga teny amin’ny sekoly ambony politeknika Vontovorona, omaly maraina, ny ekipan’ny minisiteran’ny Rano sy ny minisiteran’ny Angovo ary ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Nijery ifotony ny zava-misy momba ny olan’ny famatsiana jiro sy rano ao anatin’ny toeram-ponenan’ny mpianatra izy ireo. “Efa nisy ny fifampiresahana momba ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Hanoman-tena any Novi Sad, Serbie, mandritra ny 15 andro, ny Ankoay, sokajy lehilahy, mialoha ny hiatrehan’izy ireo ny fiadiana ny amboara maneran-tany basikety 3×3 hatao any Mongolie. Any Autriche kosa no hanao izay fanomanan-tena izay ny sokajy vehivavy. Hotanterahina ny 28 sy 29 jona izao, eny amin’ny Kianja basikety AT2B […]

Hoavin’ny Barea- « Cosafa 2025 »: Hiankina amin’ny lalaon’i Tanzanie sy i Eswatini

Hotanterahina anio, any Afrika Atsimo, ny andro fahatelon’ny vondrona C, izay hi­haonan’i Eswatini sy i Tanza­nie. Lalao tafiditra amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny faritra Atsimon’i Afrika, “Cosa­fa 2025 ». Hiankina tanteraka amin’io ny dian’ny Barea de Madagascar. Raha mandresy amin’ny isa mihoatra ny roa i Eswatini, izy ireo no tafita any […]