Anisan’ny faritra mamokatra lavanila ny kaominina Maromitety. Misedra olana manoloana ny karazam-pambolena isan-karazany fanaon’ny mponina anefa ny fokonolona ao amin’ny fokontany maromaro mandrafitra io kominina io, anatin’ny disitrikan’i Vavatenina, faritra Analanjirofo. Raha ny hita taratra nandritra ny fitsidiham-paritra nataon’ny mpanao gazety nidina ifotony, amin’ny akapobeny, fokontany anisan’ny mamokatra lavanila ao […]
Mois : juin 2025
VAOVAO TAMBATRA
Miisa 2 ny angidimby hampiasaina hamonoana andiam-balala any amin’ny faritra Ihorombe sy Anosy. Andiam-balala maherin’ny 20 novonoina tany Ihorombe ary 4 tany Anosy, hatramin’ny 5 jona teo. Misy famantarana manokana ireo angidimby manao ny asa. Avela 48 ora vao mahazo miditra ny toerana norarahana fanafody ny biby fiompy sy ny […]
Asa tanana malagasy: Nitentina 38 tapitrisa euros ny fanondranana tany ivelany
Nankalazaina, omaly, teny amin’ny MBC Ivato, ny Andro maneran-tany ho an’ny asa tanana (JMA). Lohahevitra noraisina ny hoe, «andao hifanome tanana, hanandratra ny fahaiza-manao malagasy». Nohamafisin’ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana, Dewa Viviane, fa «ny asa tanana dia mihoatra lavitra noho ny asa fivelomana fotsiny. Vakoka ara-kolontsaina ho […]
Airtel-UVVT : Toe-tsaina mandala ny tontolo iainana
Nikarakara hetsika manokana, «Escape Game-Save the Earth», ny orinasa Airtel sy ny fikambanana klioba «Unis vers Vintsy Tanà» (UVVT), ny 5 jona teo. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny tontolo iainana (JME). Nifantoka tamin’ny fanabeazana ara-tontolo iainana ho an’ny mpiasan’ny Airtel, miompana amin’ny fitantanana ny fako plastika, […]
Jono tsy ara-dalàna: teratany Srilankais valo voasambotra
Tra-tehaka teo am-panaovana ny asa ratsiny ny sambo nentina teratany srilankais miisa valo. Sarona niaraka tamin’izy ireo ny antsantsa milanja 16 taonina. Fahombiazana. Sarona tao avaratr’i Cap St André (Tanjona Vilamatsa), faritra Boeny, ny sambo vahiny iray mitondra ny anarana «Ruth Baba 6», ny herinandro teo, nandritra ny fisafoana nataon’ny […]




