Notokanana tamin’ny fomba ofisialy, ny alarobia teo, ny efitrano « e-Toerana » eny amin’ny Antenimieran’ny indostria sy ny varotra eto Antananarivo (CCIA) etsy Antaninarenina natokana hanohanana ny fandraharahana. Manara-penitra tanteraka ireo efitrano noho izy ahitana ireo fitaovana niomerika hiaka farany ahafahan’ireo mpandraharaha sy matihanina mifanakalo hevitra ampitain-davitra. Ampiasana ny haitao ara-kajy mirindra […]
Mois : juin 2025
Filoha Rajoelina Andry: Manana harena anaty rano miavaka i Madagasikara
Nosokafana, omaly 9 jona, tany Nice Frantsa, ny fihaonambe fahatelo ny firenena Mikambana mahakasika ny ranomasimbe (UNOC 3). Miaraka mikarakara azy i Frantsa sy i Costa Rica, izay haharitra hatramin’ny 13 jona, tarihin’ny filoha frantsay Emanuel Macron sy ny filohan’i Costa Rica, Chaves Robles. Miisa 124 ny firenena mandray anjara, […]
FANTINA sy FINTINA
Mitarika ny delegasionina any Frantsa ny filoha Rajoelina Andry, mandray anjara amin’ny fivorian’ ny firenena mikambana momba ny Ranomasimbe (UNOC3). Nanomboka, omaly hatramin’ny 13 jona any Nice izany. Hisongadina ny hiarovana ny tombontsoa amin’ny fari-dranomasiny sy ny fiandrianany amin’ny faritra ara-toekaren’i Madagasikara. Nahemotra ny filankevitry ny minisitra, tokony hatao any […]
KMF/Cnoe : “Mila hatsaraina ny rafitra fanaovan-dalàna”
“Aminay, ny fijerena ny rafitra no zava-dehibe. Matoa tafavoaka aty ivelany izany tolo-dalàna izany, avy anatiny no nisy fivoahany. Ny rafitra sy ny lalàna eto amintsika no heverinay hoe lasa mampiady ka tokony hohatsaraina”. Izay ny fanehoan-kevitry ny fikambanana KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena tamin’ny alalan’ny filoha nasionaliny, i Namearison Robert, tany […]
Vahaolana (no) tadiavina
Tsy fandriampahalemana. fidangan’ny vidim-piainana, fahatapahan-jiro sy rano… Ireo no olan’ny vahoaka ifotony amin’izao. Tsy misy afa-tsy fahasahiranana? Na izay no tena mibahan-toerana, tsy takona afenina, tsaroan’ny aina… Aiza izay vahaolana? Manao izay efany sy afany ny fitondrana. Eo ny vahoaka miaina sy mitsara: efa misy fihatsaram-piainana amin’ny fahasahiranana? Amin’izany, […]




