Mois : juin 2025

VAOVAO TAMBATRA

Nidona tamin’ny haran-dranomasina ny sambo mpitatitra entana Amory, teo am-pidirana ny helodranon’i Diego Suarez, akaikin’ny ranomasina Emeraude, ny alahady 8 jona teo. Tsy natahorana ilay sambo, satria tsy nisy rano tafiditra tao anatiny, sady tsy nahitana soritra simba tety ivelany. Voalaza fa olana ara-teknika no nitranga nandritra ny fidirana tao […]

Indostria: Nampiditra 18 miliara Ar ho an’ny fanjakana ny Star

Orinasa manana ny lanjany sy ny toerany eo amin’ny sehatry ny indostria eto amin­tsika ny Star. Fanalahidin’ny fampandrosoana maharitra ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny tsy miankina. Manana petra-bola ao amin’ny orinasa Star ny fanjakana malagasy sady mandoa hetra. Nitondra tombony 18 442 780 000 Ar ho an’ny kitapombolam-panjakana ity orinasa […]

Harena an-kibon’ny tany: Tafiditra ao anaty MSP i Madagasikara

Manana harena ambanin’ny tany maro, sokajiana ho saro-pady i Madagasikara. Tena ilain’ny tsena iraisam-pirenena izy ireny, izay tokony havadika mba hitondra harena. Nankatoa­vin’ny filankevitry ny minisitra, ny 4 jona teo, ny hidiran’i Mada­ga­sikara ao anatin’ny Minerals Security Partnership (MSP) Forum. Ivondronan’ny firenena mpamokatra harena ambanin’ny tany saro-pady ity vovonana ity. […]

Tetikasa Ma Honko-Bôndy: Hazo honko 10 000 hambolena anaty 5 taona

Manana toeram-pambolen-kazo honko ao Malako, fokontany Ambolobozo, kaominina Ambodimadiro ao Antsohihy ny orinasa Bôndy. Miisa 100 ny tanimboly, (mahazaka zanakazo 800 tsirairay), amin’ireo 600 natao any amin’ny faritra Sofia ho an’ny taona 2025. Maro ny karazana honko ambolena, toy ny honko lahy, ny honko vavy, ny tsitolomina, ny afiafy, sns. […]

Sakafo ara-pahasalamana; Zo fototra sy fanamby ho an’ny fampandrosoana

Miantoka ny famokaran’ ny tsirairay sy fampandrosoana ny toekarena ny fisitrahana sakafo ara-kalitao. Ma­na­ra-maso ny lalam-pamokarana sy ny fitehirizana izany ny siansa hiantohana ny vokatra maharitra ho an’ny tombontsoa ny mpanjifa. Antoka ho an’ny fivelomantsika ny sakafo madio, ara-kalitao sy ara-pahasalamana. Manampy amin’ny fampandrosoana ny firenena ny fisian’izany noho izy […]