Tsy manaiky ny fandavan’ny mpitsara ny baolina matiny nandritra ny fihaonany tamin’ny CFFA ny AS Fanalamanga. Araka izany, nitondra ny raharaha eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra izy ireo. Takiny ny hanekena ny baolina maty ka handreseny 2 no ho 0. Nanatanteraka valandresaka ho an’ny mpanao gazety ny tomponandraikitry ny […]
Mois : juin 2025
Fikambanana Imianta : Haneho firaisankina eny Atsimondrano
Eny amin’ny kaominina Bongatsara, distrikan’Atsimondrano, no haneho firaisankina ny terak’Imady, ny alatsinain’ny Pentekosta izao. Mivondrona ao anatin’ny fikambanana Imianta izy ireo, izay efa misy an’arivony milaravinahitra eto an-dRenivohitra. Fihaonana amin’ny endrika fitsangantsanganana voalohany izy ity taorian’ny nahazoana ny tany midadasika eny Anjomakely. Tany iombonan’ny fikambanana ho fihariana aoriana kely, raha […]
Autisme Eto Madagasikara: Hametraka ivontoeram-pitsirihana
« Sahirana ny fianakaviana malagasy manana zanaka autiste satria tsy misy ivontoerana manao fitsirihana manokana izany toetena izany eto Madagasikara, tsy voaofana koa ny mpiasan’ny fahasalamana sy ny mpanabe. Manampy trotraka ny faharefoana ara-bola satria marolafy ny fandraisana an-tanana tsy maintsy arahana”, hoy ny manampahaizana manokana momba ny fahasembanana sy ny […]
Mahajanga: Niavaka ny fetin’ny Aïd al-Adha
Tomefy olona teo amin’ny Village Touristique Mahajanga, omaly maraina, nandritra ny fankalazana ny fetin’ny sorona na Aïd al-Adha na koa Idy Be, niarahan’ireo mpino silamo rehetra any an-toerana. Ho an’ireo olona manaraka ny foto-pinoana silamo, ny Aïd al-Adha dia fety iarahan’ny mpino silamo maneran-tany ho fahatsiarovana ny nanaovan’i Abraham sorona […]
Herinandro ho an’ny fahasalamam-bahoaka : Ampiarahana ny fanaovam-baksiny sy ny fora zaza
Tohizana ny ezaka rehetra vita amin’ny fanaovam-baksiny tsy hampidina ny tahan’ny zaza voaaro amin’ny aretina. 91 ny distrika voakasika fa ny 56 amin’ireo no tena laharam-pahamehana. Natomboka omaly, teny amin’ny CSB II Anosizato Andrefana, ny Herinandro ho an’ny fanamafisana ny fanaovam-baksiny sy ny hetsika “fora zaza faobe” miaraka amin’ny minisiteran’ny […]




