Voasambotry ny zandarimaria ny lehilahy namono nahafaty ny renim-pianakaviana iray tao Befanihy, fokontany Ambatofotsibe, kaominina Kiranomena, omaly. Nitrangana vonoan’olona nahatsiravina tao amin’io tanàna io, ny 2 jona tamin’ny 2 ora maraina. Noratraratrain’ny lehilahy iray teo amin’ny tavany sy ny faritry ny lohany ilay ramatoa 32 taona. Potika tanteraka ny endriky […]
Mois : juin 2025
Ankadikely-Ilafy : Mpangalatra moto naiditra am-ponja
Noraisim-potsiny! Mpangalatra moto iray tratran’ny zandary tao amin’ny fokontany Andombotany, kaominina Ankadikely Ilafy, ny alarobia 4 jona teo, tamin’ny 3 ora sy sasany maraina. Nahatsikaritra tranga hafahafa ny mponina teny an-toerana. Niantso avy hatrany ny zandary. Telo lahy voalaza fa nanosika moto tao anatin’ny haizina, nifanenjehan’ny zandary. Tafaporitsaka ny roa […]
Matory an-tsena noho ny fitadiavana : Renim-pianakaviana hita faty tetsy Mahavoky
Renim-pianakaviana iray, mpivarotra legioma, hita faty omaly, tetsy Mahavoky. Tsy nahitana ratra ny razana, raha voalaza fa maty nisy nanindrona antsy. Mivarotra sy matory an-tsena noho ny halaviran’ny toerana honenany. Hita faty manakaiky ny fokontany Mahavoky Besarety, omaly maraina tamin’ny 05 ora latsaka fahefany, ny renim-pianakaviana iray, 47 taona. Niparitaka […]
Depiote Rahantanirina Lalao: “Tsy izay miteny any amin’ny facebook no marina”
Manoloana ilay resaka fanangonan-tsonia nataon’ny olom-boafidy tao Mahajanga sy Betsiboka, hanesorana minisitra roa, namoaka ny heviny mahakasika izany ny depiote Irmar, avy any Mahajanga, Rahantanirina Lalao na depiote Nina, omaly, tetsy Mahamasina. “ Tsy resy akory ny olo-mangina, ary samy manana ny eritreriny avy. Tsy izay miteny any amin’ny facebook […]
Mpilatsaka an-tsitrapo : Safidy atao ny miahy ny maha olona sy ny marefo
Sehatra iray mahaliana ny ankamaroan’ny tanora malagasy ny fidirana amin’ny fikambanana misehatra amin’ny filatsahana an-tsitrapo eto Madagasikara. Safidy ataon’izy ireny ny hiahy ny maha olona sy ireo marefo. Tanora avokoa ny ankamaroan’ny mpikambana sy misafidy ny hilatsaka an-tsitrapo eto Madagasikara, raha ny tatitra voaray. “Safidy atao ny mijoro hiahy ny […]




