Mois : juin 2025

Tsolika : Miakatra hatrany ny vidin’ny solika fandrehitra

Toy ny isam-bolana, miovaova hatrany ny vidin-tsolika eto Madagasikara ho fampiharana ny vidiny tena izy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ho an’ny volana jona, nahitam-piakarany 10 Ar ny litatramin’ny lasantsy, miakatra hatrany koa ny vidin’ny solika fandrehitra. Niova ny alin’ny sabotsy hifoha alahady teo ny vidin-tsolika manerana ny Nosy. Ho an’ity […]

INDRAY MIJERY

Hatsangana ny ivontoeram-pandrindrana (CCO) ao Belaza, ao anatin’ny distrikan’Ampanihy. Lehibe sy maoderina izy ity hiatrehina ny loza sy tandindon-doza any atsimon’i Madagasikara, hapetraka amin’ny velaran-tany 5 000 m toradroa. Ankoatra ny trano lehibe ho an’ny CCO, misy koa ny birao sy efitra lehibe ho fitehirizana entana ahafahana mihetsika avy hatrany […]

Matsiatra Ambony- Fampianarana teknika : Olona 1 020 notolorana mari-piofanana

Tafiditra ao anatin’ny paikady nasionaly hanomezana fiofanana maimaimpoana sy misokatra ho an’ny rehetra ny hetsika “Fijery hafa”. Anjaran’ ny faritra Matsiatra Ambony ny nandray izany. Notanterahina ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny Gymnase couvert Ambatomena- Fianarantsoa, ny fanokafana. Nitarika ny lanonana ny minisitry ny Fam­pianarana teknika sy fanofanana arakasa, Rasoloarisoa […]

Iray volan’ny ankizy : Ray aman-dreny mandray andraikitra

Natokana ho iray volan’ny ankizy ity volana jona ity. Ni­tondra hafatra mahakasika izany ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie. Nanao fanairana ho an’ ireo ray aman-dreny izy mba ho tomponandraikitra feno amin’ ny fitaizana sy ny fiarovana ny zaza anaty fanabeazana feno fitiavana hananany fahatokisan-tena. Lohahevitra voizina […]

Sampana fanantenana – Fiangonana FPVM: Ratsy ny sigara sy ny zava-mahadomelina

Ho fanamarihana ny 31 mey, andro natokana tsy hifohana sigara maneran-tany, nanao hetsika fanentananana, ny faran’ny herinandro teo, teny Analakely, ny Sampana fanantenana eo anivon’ny fiangonana FPVM manana tarigetra miady amin’ny zava-mahadomelina. 300 ny mpikambana ao amin’ny sampana, ahitana ankizy manomboka eo amin’ny 5 taona hatramin’ny olon-dehibe. Fitaizana ny tanora […]