Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, tetsy amin’ny Kianjan’ny Elgeco Plus By-Pass, ny lalao ampahefa-dalana miverina amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, « World Cola PFL », taranja baolina kitra. Nihintsana ny tompondaka farany, Disciples FC Vakinankaratra, rehefa nanao ady sahala 0 no ho 0 tamin-dry zareo miaramila Cosfa. Tsiahivina fa […]
Mois : juin 2025
Handball – “IHF Trophy”: Tompondaka ny Akio teo amin’ny U17
Tontosa soa aman-tsara tetsy amin’ny Kianja mitafon’ ny Ankoay Ankorondrano, ny famaranana niadiana ny ho tompondakan’ny faritra faha-7, taranja handball, sokajy zandriny, zazavavy, na “IHF Trophy”. Voahosotra ho tompondaka teo amin’ny sokajy U17 ny Akio de Madagascar. Resin’ izy ireo teo amin’ny famaranana, tamin’ny isa 29 no ho 20, i […]
DAKA AN-JORONY: Aza atao fy iraisana fa ho fy iraisan-(t)saina
Tontosa soa aman-tsara ny fifidianana izay ho filoha hitantana ny firaisan’ny mpanao gazety ara-panatanjahantena eto Madagasikara (UJSM). Nahazo filoha vaovao indray ny mpikirakira ny fampahalalam-baovao ara-panatanjahantena. Tsy mora ny asa miandry ny mpitantana amin’izao taom-piasana manaraka izao. Enga anie, ny ekipa miaraka aminy tsy hanao toy ny ranotrambo, be fiavy […]
Baolina kitra – « Ligue des champions d’Europe »: Anaram-boninahitra voalohany ho an’ny PSG
Nanakoako manerana an’i Eoropa sy izao tontolo izao mihitsy ny anaran’ny Paris St Germain, ny sabotsy alina teo. Voahosotra ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra, ry zareo. Voalohany eo amin’ny tantarany no nahazoany izany ary izy irery no ekipa voalohany nahavita nanao isa tataka tamin’ny famaranana. Mipetraka ho tantara tsy […]
Minisitra Moustapha Marson Abdulah :Tsy manavaka taranjam- panatanjahantena ny MJS
Mandray fifaninanana iraisam-pirenena maro i Madagasikara, ankehitriny. Misy ihany koa ireo fifaninanana eto an-toerana amin’ny taranja hafa izay mizotra amin’izao fotoana izao. Manatrika izany hatrany ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Moustapha Marson Abdulah. Tsy manavaka taranja ara-panatanjahantena misy eto Madagasikara ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), […]




