Nanolotra fiara miisa dimy ho an’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny ny fitondram-panjakana japoney, amin’ny alalan’ny masoivohony eto amintsika, i Abe Koji. Noraisin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, tetsy Anosy, omaly, izany ary tafiditra amin’ny Tahiry “Fonds de contre-valeur japonais”. Hampiasaina amin’ny fihaonana an-tampon’ ny Sadc hatao eto Madagasikara, ny volana aogositra izao, […]
Mois : juin 2025
Fivarotana Toaka gasy: Nolanian’ny loholona ny tolo-dalàna
Lany 100% teo anivon’ny Antenimierandoholona ny lalàna mifehy ny fahalalahan’ny fanamboarana sy fivarotana toaka gasy. Notanterahina, omaly, tetsy amin’ny Lapan’ Anosikely ny fandaniana izany. Na izany aza, mbola nitondran’ireo loholona fanovana miisa fito izany tolo-dalàna izany. Haverina eny amin’ny Antenimierampirenena hodinihin’ireo depiote indray ary hanapahan’izy ireo farany ny momba ity […]
Fampandrosoana eny ifotony – MFFT: Nahatsara ny fari-piainan’ny mponina ny tetikasa PDCID
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tetsy Anosy ny dingana fahatelo amin’ny tetikasa PDCID III. Iarahana manatanteraka amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) ho amin’ny fampandrosoana ifotony izany. Nampahatsiahivin’ny minisitra, Andriantsitohaina Naina, fa mikendry ny hanamafisana ireo tolotra ho an’ny vahoaka avy amin’ny fanjakana eny anivon’ny kaominina, ary hampiroborobo […]
26 jona 1960 : Fifampiraharahana no namerenana ny Fahaleovantenan’i Madagasikara
Herinandro sisa… 26 jona 1960- 26 jona 2025. 65 taona katroka ny niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Tsy mora ary maro ny dingana nolalovana. Fifampiraharahana no namerenan’i Frantsa ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Tantara.. Nambara teny Andohalo, tamin’ny 14 oktobra 1958, ny fijoroan’ny Repoblikan’i Madagasikara, na dia tsy mbola afaka aza tamin’ny fanjanahantany frantsay. […]
VAOVAO TAMBATRA
Harenina ny Lakadranon’i Pangalana, haverina ny fifamoivoizana an-dranomamy, hampiroboroboana ny fizahantany. Haverina ny fifamoivoizana ana habakabaka isam-paritra mampifandray ny toerana misy fizahantany. Tohizana ny fametrahana ny Ofisim-paritry ny fizahantany. Anisan’ny paikady apetraky ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana ireo. Mamotika ny fihariana sy ireo mivelona amin’ny fanaovana sakafo ny […]




