Faritra Diana: Mahatratra 614 ha ny ala honko efa narenin’ny Bôndy

Anisan’ny misehatra amin’ny fanarenana ny ala honko any amin’ny faritra Diana ny orinasa Bôndy. Misy ny fiaraha-miasa amin’ny mponina eny ifotony mba hisian’ny fampandrosoana.

Mihazakazaka ny asa na dia vao telo taona monja aza ny nanombohan’ny orinasa any an-toerana amin’ny alalan’ny tetikasa “Ma Honkô”. Miisa dimy ny kaominina (Ambaliha, Antra­no­karany, Bobasakoa, Anjia­be ary Ankingameloko) iasana any amin’ny faritra Diana. Nambaran’i Ness Kennedy, teknisiana Bôndy Diana, fa mi­totaly 614 ha ny ala honko efa narenina.
Anisan’ny tena tratry ny tsindry ny fokontany Antrema, kaominina Antranokarany. Nilaza Rasolofonantenaina Roger, mpanara-maso teknika, fa tsy latsaky ny 170 ha ny ala honko efa narenina, na­nomboka ny taona 2023. Na­hatratra 157 ny mponina any an-toerana niara-niasa tamin’ ny orinasa, nanapariahana voa karazan-kazo honkolahy sy honkovavy miisa 1 051 000. Mahatratra 589 ha ny velaran-tany honko simba ka narenina tao amin’ny kaominina Antranokarany. Maherin’ ny 3 tapitrisa ny zana-kazo nambolena, nahitana afiafy, tsitologny, honkolahy sy honkovavy. Niisa 474 ny olona nandray anjara ka vehivavy ny ankamaroany.
Nambaran’i Ness Kennedy fa manodidina ny 80% ny ta­han’ny zana-kazo maniry. Efa vita ny asa any Antrema, ankehitriny, ka ny fanoloana ny zana-kazo maty indray no himasoana izao.

Miara-miasa amin’ny rehetra

Misy ny fandaminana ny sarin-tany sy ny fandaminana entin’ny Bôndy mampandeha ny fandrindrana ny asa, iarahana amin’ireo mpisehatra isan-tsokajiny. Mizara roa ma­zava tsara izany. Eo ny lafiny fanarenana ny ala honko simba, ary misy koa ny fanaraha-maso. Voakasik’izany ny fikambanana samihafa napetraka isaky ny fokontany, ho an’ny vehivavy sy ny tanora. Napetraka tamin’izy ireo ny fitantanana ny ala honko narenina mba tsy hisian’ny fanimbana intsony.
Nohazavain’i Saïd Mouhtar, misahana ny Rafi-pandaminana sy ny fampandrosoana ao amin’ny Bôndy, fa «miara-miasa amin’ireo rantsa-mangaikan’ny minisiteran’ny Tonto­lo iainana sy ny fampandrosoana maharitra ihany koa ny orinasa. Efa eo am-pamolavolana ny fanoritana ny sarin-tany ma­neho ny fotodrafitrasa hatsangana, iaraha-midinika amin’ny tomponandraikitra eny ifotony. Anisan’izany ny ben’ny Tanà­na, ny sefo fokontany, ny Von­drona olona ifotony (VOI), aha­fahana manangona ny zavatra ilain’izy ireo sy mandrindra ny asa tokony hatao, mba ho tena ho azo tsapain-tanana”.

Miantraika any amin’ny fambolena sy ny jono

Efa azo tsapain-tanana sahady ny vokatra nataon’ny orinasa any Diana. Notsorin’i Jean Belahy, sefo fokontany Antrema, fa «tena ankasitrahanay ny fisian’ny Bôndy, ma­nampy anay amin’ny fanarenana ny ala honko aty aminay. Tena nihazakazaka ny fa­ha­simbana, izay niantraika tany amin’ny fiharianay. Rin­gana ny hazo honko, ka niakatra tonga hatrany amin’ny tanimbary ny ranomasina, ary maty ny fambolena satria lasa ma­sira. Niha sarotra koa ny fahitana drakaka sy makamba satria potika ny ala honko, toeram-ponenan’izy ireo. Mio­va izany, ankehitriny, niverina tsikelikely ny hazandrano, nihena ny fiakaran’ny ranomasina any amin’ny fambolena, toy ny vary sy ny ala cacao».
Fambolena anana sy le­gioma no tena ifantohan’ny fikambanam-behivavy mpamboly any Antrema. Nanazava ny filohany, Zafitsara Léontine, fa “miisa 25 ny mpikambana ato aminay nandray anjara ta­min’ny fanarenana ny ala honko. Hisy fiantraikany any amin’ny fambolenay izany, satria hanakana ny fiakaran’ny rano any amin’ny tanimboly”.

Nanatontosa : Mathieu

Partager sur: