Niakatra ny vary safiotra, nambolena ny volana febroary teo, tany amin’ny kaominina Ambohijanahary, faritra Alaotra Mangoro. Tsara ny vokatra, ary efa homanina sahady ny taom-pambolena manaraka.
Fararanom-pifaliana ny any amin’ny kaominina Ambohijanahary, distrika Amparafaravola, faritra Alaotra Mangoro, ny 30 jona teo. Nilaza ny ben’ny Tanàna, Raholison Tahiry, fa nankalazana ny fahaleovantena ara-bary tamin’ity fotoana ny « Santa-bary » ity.
Tsara ny vokatra satria tafakatra 8,6 taonina isaky ny hekitara ny salanisa raha 3,5t/ha ny hatramin’izay. Faly ny tantsaha ary nangataka sahady ny hanohizana ity tetikasan’ny filoham-pirenena, miompana amin’ny vary safiotra ity.
Namaly izany avy hatrany ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Fahaleovantena ara-tsakafo, Razanamahefa Tahian’Ny Avo, fa «tsara ny vokatra tamin’ity taom-pambolena 2024-2025 ity ho an’ny voly vary safiotra. Koa, manao antso avo ny faritra 24 manerana ny Nosy aho, hiomana sahady ho an’ny taom-pambolena manaraka ».
Notolorana fitaovam-pamokarana ny tantsaha, toy ny milina fivelesam-bary sy fikokorohana vary, hanohanana ny mpamokatra sy isorohana ny fatiantoka aorian’ny fijinjana nandritra ny santa-bary. Nisy koa ny fanomezana nofon-kena mitam-pihavanana sy fiarahana nihinana vary safiotra. Anisan’ny tonga tany an-toerana, ireo sinoa mpiara-miombon’antoka, ny akademisianina avy any Hunan, zanaky ny profesora Yuan Longping, rain’ny vary safiotra.
Nifanotrona tamin’ny Sekreteram-panjakana hatrany ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fampiofanana arakasa, Marie Marcelline Rasoloarisoa, ireo olom-boafidy, loholon’i Madagasikara, solombavambahoaka, ben’ny Tanàna sy olo-manankaja maro.
Njaka A.




