VAOVAO TAMBATRA

Miisa 6 ny andiam-balala novonoina tany amin’ny kaominina Tanamary Bekisopa, distrika Ikalamavony sy Antsoha, distrika Ihosy, nampiasana helikoptera. Miisa 11 kosa ny tany amin’ny distrika Sakaraha. Nisy koa ny hetsika an-tanety natao tany amin’ny kaominina Andiolava, distrika Ihosy.

Teknika fambolena an-tanety avy any Zimba­bwe ny Pfumvudza. Atao eto amintsika ny atrikasa fiofanana ho fanapariahana azy, iarahan’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny ao amin’ny Fanabeazam-pirenena. Tanjona ny hanapariahana ny teknika manerana ny sekoly miisa 800 eto amin’ny Nosy.

Hatao eny amin’ny foiben’ny Olep Ambatobe, ny 1-3 jolay izao, ny atrikasa Fipol. Izany dia mahakasika ny Tahirimbola iraisam-pirenena momba ny fanonerana ny fahasimbana avy amin’ny fahalotoana nateraky ny solika very an-dranomasina. Mandray anjara eny an-toerana ny minisitera sy sampandraharaha voakasika rehetra, miisa 30.

Partager sur: