Sehatra mahavelona sy mampidi-bola ny fitondram-panjakana ary mampanana asa ny tanora amam-behivavy ny jono sy ny toekarena manga. Ankehitriny, manodidina ny 150 000 ny mpanjono eto Madagasikara, eo amin’ny 2 tapitrisa kosa ireo mivelona mivantana na ankolaka amin’izany. Ny taona 2024, tafakatra 700 miliara Ar ny totalim-bidin’ny vokatra naondrantsika, raha 35,300 miliara Ar kosa ny azo tamin’ny fahazoan-dalana nomena. Ireto farany izay kitro ifaharan’ny fampandrosoana ny toekarena sy mandray anjara amin’ny fampiroboroboana ny harinkarena faobe. Nilaza ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Mahatante Paubert, omaly fa «manodidina ny 142 000 t isan-taona ny vokatra eto Madagasikara raha tafakatra 200 000 t kosa ny harena mbola azo trandrahana sy ananantsika». Midika izany, fa manana ireo loharanon-karena an-dranomasina sy an-tanety mahavelona sy hampiodinana ny toekarena i Mdagasikara. Notsindriny manokana fa 112 000 t ny vokatra an-dranomasina eto Madagasikara ary vokatra an-tanety sy ny vokatry ny fihariana anaty rano kosa ny 30 000 t. Na izany aza, mbola ambany ireo taha ireo raha oharina amin’ny filàna izay tafakatra hatrany amin’ny 307 000 t isan-taona. Entina hanatrarana izany ny fampitomboana ny fampiofanana sy ny fampitaovana ireo mpanjono samihafa ary ny fampidirana azy ireo eo amin’ ny sehatry ny ara-dalàna.
Fihariana
Ankehitriny, mitombo isa ny mpiompy trondro eto Madagasikara, mihoatra ny 55 000 ireo nisitraka fiofanana raha 2 300 izany teo aloha. Ampirisihina ihany koa ny fihinanan’ny Malagasy hazandrano. Tanjona ny hahatrarana ho 11 kg isan’olona isan-taona eto.
Ankoatra izay, tanterahina etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina, hatramin’ny sabotsy izao, ny Tsenaben’ny vokatra an-dranomasina sy an-dranomamy, andiany faha-5. Hetsika hivondronan’ireo mpisehatra sy mpandraharaha manerana ny Nosy hampahafantarana ireo vokatra misy sy voahodina eto amintsika.
Henintsoa




