Hojeren’ny Filoha Rajoelina Andry ny fahasimban’ny lalam-pirenena faha-7. Toraka izany koa ny fametrahana ny toby mamokatra herinaratra avy amin’ny masoandro. Hampitomboina ny tranobe Building Mora. Havaozina ny lalamby Fianarantsoa-Manakara, nanamarihiny fa tsy azo hadinoina intsony ity lalam-pitaterana stratejika ity.
Manomboka ny fanarenana ny lalana RN13, mampitohy an’Ikalamainty sy Betroka. Anisan’ny tena saro-dalana amin’ny lalana Ihosy-Taolagnaro ity ampahany ity. Eo am-pametrahana ny toby fiomanan’ny mpiasa sy ny toeram-ponenana ary efa misy tonga any an-toerana koa ny fitaovana vaventy ho ampiasain’ny orinasa hanao ny asa.
Notanterahina omaly, tao Ampandrinomby, ny fanamafisana fahaiza-manao ho an’ireo mpamily
fiarakodia, eo anivon’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany. Nisy avy hatrany ny fampiharana, taorian’ny fanazavana nentin’ny mpampiofana.
Niara-nanatontosa ny fiofanana ny fitantanana ny maha olona (DRH) sy ny Fanaraha-maso ny fiaram-panjakana.




