Airtel : Fiarovana ny fisolokiana amin’ny SMS

Maro ny endrika fisolokiana azon’ny mpanjifa amin’ny alalan’ny Hafatra miafina (SMS) anaty finday. Azo atao ny misoroka azy ireny, ankehitriny, ho an’ny mpampiasa ny Airtel.

Araka ny fanadihadiana nataon’ny kabinetra Quartz, firenena 9 amin’ ny 20 aty Afrika no tratry ny atao hoe « spam ». Hafatra miafina SMS tsy niriana, fa tonga ho azy anatin’ny findain’ny mpanjifa. Tsy mitsaha-mitombo izany, indrindra noho ny hamaroan’ireo mampiasa ny karazana finday « smartphones », mahatonga endrika fisolokiana samihafa. Nahita vahaolana isorohana (anti-spam) izany ny Airtel Africa, hita any amin’ny firenena miisa 14, ka anisany ny eto Madagasikara. Tsy mila ampidirina, maimaimpoana, fa miasa avy hatrany anaty finday ho an’ny mpanjifan’ny Airtel rehetra.
Misy amin’ireny hafatra SMS tonga ho azy (spam) ao anatin’ny findain’ny mpanjifa, miendrika fisolokiana. Toy ny hoe : « Arahabaina ! Ianao dia voasarika tamin’ilay Lalao Quizz Mlay, ka nahazo vola 29 000 000 Ar avy amin’ny Airtel Money. Antsoy ity laharana ity ahafahanao mandray ny lokanao ». Na koa : « Félicitations ! Noho ny fankalazana ny faha 50 tana ny BFM dia nanao fisarihana vola 20 000 000 Ar tamin’ny tambajotra telo eto Madagasikara ianao, ka ity numero ity no nahazo azy, antsoy ny laharana xxx », sns.
Mikirakira SMS miisa 1,5 miliara
Avo lenta ny teknolojia ampiasain’ny Airtel hisorohana ny « spam ». Afaka manadihady karazany miisa 250, sady mahavita mikirakira ny SMS miisa 1,5 miliara ao anatin’ny 2 millisegondra (0,002 segondra). Fantatra koa ny mpandefa an’ilay hafatra SMS mampiahiahy amin’ny alalan’ny fitahirizana ny antontam-baovao miendrika fisolokiana.
Nilaza ny tale jeneralin’ny Airtel Madagasikara, Anne Cathérine Tchokonte, fa « efa nanomboka nampiasaina ny tapaky ny volana jona teo ity fitaovana ity. Tafiditra ao anatin’ny fiarovana ny mpanjifa manoloana ny spam no nametrahana azy ».

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: