Hatao etsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina, ny 10, 11 ary ny 12 jolay ho avy izao, ny « Tsenaben’ny Fromazy aty afovoan-tany », andiany faharoa. Mikarakara izany ny M’Anja Event. Nilaza ny mpamorona, Rajaofera Anjaratiana, fa entina hanasongadinana ny fromazy vita malagasy, novokarin’ny Malagasy mpamokatra madinika ny hetsika. Hisy ny fihenam-bidy, ny fisotroan-dronono maimaimpoana ao anaty fotoana voafetra, ny fanandramana ny tsiron’ny fromazy isaky ny tranoheva, sns. Azon’ny mpitsidika atao ny mampanamboatra pizza eo no ho eo avy amin’ny fromazy novidiany. Ho hita eny koa ireo mpamokatra divay, tsy afa-misaraka amin’ny fromazy.
Manohana ity tsenabe ity ny Madagascar Daily Board (MDB), mampiroborobo ny famokarana ronono any Vakinankaratra, Analamanga, Bongolava ary Itasy. Tanjona, ny hampiakarana ny fanjifan’ny Malagasy ronono ho 15 l isan’olona isan-taona, raha mbola 5l/olona ankehitriny, sy ny vokatra avy aminy, toy ny fromazy.
Mpiara-miombon’antoka koa ny Federasionin’ny mpampiantrano sy mpampisakafo eto Madagasikara (Fhorm). Satria anisan’ny manjifa ny fromazy vita malagasy izy ireo. Miahy ny hetsika ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), satria mifanandrify amin’ny vina fahavitan-tena ara-tsakafo izany.
Njaka A.




