Tsy mbola ampy ny isan’ny teknisianin’ny ala eto amintsika. Izay no anisan’ny antom-pisian’ny foibem-piofanana.
Miisa 60 ny teknisianin’ny ala nivoaka, ny 4 jolay teo, teny amin’ny Foibem-pirenena fanofanana ho teknisianin’ny ala (CNFTF) Angavokely Manjakandriana. Notokanana ihany koa ny fotodrafitrasa vaovao ho an’ny toeram-piofanana. Mizara roa ireo mpiofana. Nanaraka fiofanana mitohy (Formation continue) ny 30, ny andiany « Vonona », maharitra 18 volana, izay efa am-perinasa. Mandritra ny 2 taona kosa ny Fiofanana ankapobeny (Formation initiale) ho an’ireo 30 hafa, manana bakalorea, andiany « Hiratra ».
Nilaza ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (MEDD), i Andonirina Max Fontaine Andonirina, fa tsy mbola ampy ny isa eto amintsika, satria mpianala iray mifehy 27 000 ha, raha tokony ho mpianala iray ho an’ny ala 2 000 ha ny salanisa.
Niforona ny taona 1943 ny foibe CNFTF, ary nikatona ny taona 1959. Niverina nisokatra indray ny taona 2018, ary andiany efatra no efa nivoaka tao amin’izao fisokafany indray izao. Nanohana ny tetikasa ny Birao manohana ny fifandraisana ivelany (Bace), tohanan’ny Vondrona eoropeana ara-bola, mitentina 650 000 euros.
Fitaovam-piadiana ho an’ny mpianala
Nahazo fiofanana ara-miaramila ireo mpiofana. Nomarihin’ny minisitra Max Fontaine, fa tamin’ny taona 1982 no nandray basy farany ny mpianala. Niverina izany nandritra ny matso natao teny Mahamasina, tamin’ny fankalazana ny fetim-pirenena 2025 teo. Miara-miasa amin’ny mpitandro filaminana eny an-kianja anefa izy ireo. Koa, rariny raha mitazona basy ihany koa, satria manana fitaovam-piadiana ihany koa ireo mpanao trafika harena voajanahary. « Efa mandeha ny ady sisika, hamoahana ny lalàna hifehy izany », hoy ihany izy.
Njaka Andriantefiarinesy




