VAOVAO TAMBATRA

Miverina amin’ny laoniny tsikelikely ny famatsian-tsolika eto Antananarivo sy ny manodidina. Efa hita eny amin’ny tobin-tsolika avokoa ny gazoala sy ny lasantsy. Antenaina fa hitohy izany ary hihena tsikelikely ny filaharan’ny fiara, ka hizotra araka ny tokony ho izy ny fifamoivoizana, indrindra ny fitateram-bahoaka sy ny entana.
Voasolo « béton armé » ny tetezan-kazon’i Mandranofotsy, kaominina Talata Ampano, distrika Vohibato. Nosokafana koa ny lakandrano, ka sady afaka nivoaka ny vokatry ny tantsaha, hamidy any Fianarantsoa, no afaka mitohy ihany koa ny fambolena. Anisan’ny vokatra tena hita any an-toerana ny ovy, ny karaoty, ny voatabia, sns.
Nitsidika ny dobo fiompiana trondro an’i Faly, any Belobaka sy CDA Mahajanga, ny kaoperativa mpiompy trondro avy any amin’ny Helo­dranon’Ambaro, distrika Ambilobe, ny 1 jolay teo. Tanjona ny hifampizarana traikefa. Nanohana ny fanatanterahana azy ny ASI Agribusiness sy ny WWF.
Natao ny 29 jona 2025 ny fotoana handaozan’ny mpianatry ny kilasy famaranana, ao amin’ny Institution Nicolasa Barré Toamasina, ny sekoliny. Ray mpiahy azy ireo ny Tale jeneralin’ny ladoany, Zafivanona Lainkana. Hafatra nampitainy ny hoe: « azo tanterahina foana izay kasaina, rehefa ao ny fahatokisan-tena, ny faharetana ary ny fahendrena ».

Partager sur: