Toromariky ny filohan’ny Repoblika ny hanohanana ny tantsaha, nandritra ny fitsidihany ny distrika Ambohimahasoa, ny 4 jolay. Nisitraka zezika avy hatrany ny kaominina miisa 18, ho fanatanterahana izany.
Tsy niandry ela! Notanterahin’ny Sekretaria misahana ny Fahaleovantena ara-tsakafo (Sesa) avy hatrany, omaly 7 jolay, ny fizarana zezika ny tantsaha any amin’ny distrika Ambohimahasoa. Milanja 15 taonina isaky ny kaominina ny zezika NPK sy zezika biolojika hozaraina. Izany hoe, mitotaly 270 taonina, fa 99 taonina ny andiany voalohany, nozaraina omaly.
Nisolo tena ny Sekreteram-panjakana (Sesa), Razanamahefa Tahian’Ny Avo, nandritra ny fizarana ny zezika, ny Sektretera jeneraly (SG), Ramananjanahary Harivony. Nambarany fa « tsy nisy navahana ireo kaominina rehetra ao anatin’ny distrika Ambohimahasoa. Hisitraka daholo ny rehetra, araka ny efa nambaran’ny filohan’ny Repoblika. Tanjona ny hanampiana ny tantsaha entina hampitomboana ny vokatra sady hanatsarana sy hampiakarana ny fari-piainany ».
Tsy misy distrika hadino
Naneho ny hafaliany sy ny fisaorany feno ny filoha Rajoelina Andry ny solombavambahoaka voafidy tany Ambohimahasoa, Rasoamalala Honorine. Notsipihiny fa « tanteraka sy lavorary ny vina nampanantenainao ho an’ny tantsaha. Tsy misy distrika hadino. Efa nahazo hopitaly manara-penitra izahay, nahazo tohana ara-tsakafo ary ankehitriny, tonga indray, amin’izao fotoana izao, ny zezika».
Tsiahivina fa tantsaha daholo ny 90% ny mponina any Ambohimahasoa. Vahaolana mivantana sy tena ilain’izy ireo, araka izany, izao tohana sady fanampiana izao. Satria, tanjona lehibe ny fahaleovantena ara-tsakafo sy ny fisian’ny fampandrosoana maharitra, miainga eny ifotony, toy ny kaominina, miakatra any amin’ny distrika ary mipaka amin’ny firenena manontolo.
Njaka Andriantefiarinesy




