Mbola misedra olana amin’ny resaka gazoala ireo Malagasy mampiasa izany eto an-dRenivohitra. Milamina tsara kosa ny fanjifana ny lasantsy, saingy tsy dia nahitana akony teo amin’ny fiainanan’izy ireo, ny fiovam-bidy.
Mitaraina amin’ny fahasarotan’ny fitadiavana gazoala ireo mpanjifa eto an-dRenivohitra, raha ny fanadihadiana natao omaly. Taorian’ireny fanambarana navoakan’ny Ofisy malagasy misahana ny akoranafo (OMH), mahakasika ny fidinan’ny solika ireny, tsikaritra fa sahirana ireo olona mampiasa gazoala, amin’ny fitadiavana izany eny amin’ny tobin-dasantsy. Misy amin’ireo mpitondra fiara fitateram-bahoaka na taxi-be, nilaza fa somary mitety tanàna maro mihitsy vao mahita io angovo io. « Somary sarotra ary tena manahirana anay amin’ny asanay ny fitadiavana gazoala eto an-dRenivohitra amin’izao fotoana izao », hoy i Tojo, mpamily Taxi-be iray. Nilaza ny tenany fa tsy fantany ny antony mahatonga io tsy fisian’ny gazoala saika manerana ny tobin-dasantsy io. « Manahirana mihitsy ny mitady gazoala amin’izao fotoana izao. Ny ahy izao isaky ny mahita, hataoko gazoala aloha ny ampahan’ny vola mba azoko, mba hisorohana ny zava-misy tahaka izao », hoy i Njato, mpamily Taxi. Rehefa nanontaniana, teny amin’ny tobin-dasantsy, misy amin’izy ireny, tsy manana gazoala vao maraina.

Milamina ny lasantsy
Tsy misendra olana tahaka an’ireo mpanjifa gazoala kosa ny mpampiasa lasantsy. Araka ny filazan’ireo mpampiasa izany, tsy misy olana mihitsy izy io ary feno azy eny amin’ny tobin-dasantsy. « Tsy dia manana olana aloha aho hatreto amin’ny resaka fanjifana ny lasantsy. Na aiza na aiza alehako, tsy mbola nahitako tsy fisiana lasantsy izany », hoy i Rija, mpanao Taxi Moto, etsy Antsahabe.
« Tsy nahitam-piovana loatra… »
Na dia efa nilatsaka 200 Ar avy aza ny lasantsy sy ny gazoala, mbola maro ireo mpisehatra mampiasa izany andavanandro no milaza fa tsy dia nisy akony loatra tamin’izy ireo ity fiovana ity. « Mitovy amin’ny teo aloha ihany ny vokatra azo, na dia nilatsaka aza ny vidiny. Sady tsy mahita tombony izahay no tsy maty antoka ihany koa », hoy ireo mpamily nanontaniana.
Tsara ny mampahatsiahy fa lasa jifaina amin’ny vidiny 5 320 Ar isaky ny litatra ny lasantsy ary 4 900 Ar/l ny gazoala.
Natao hanohizana ny fampiharana ny fanitsiana ny vidin-tsolika hifanaraka amin’ny tena izy eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, araka ny toromariky ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI), ny anton’ny fiovaovam-bidy.
Samia miomana !
Ampahafantarina fa ny voalohan’ny volana jona teo, nasiana fanitsiana ny vidin-tsolika manerana ny Nosy. Tamin’io fotoana io, nampakarina 10 Ar ny saran’ny solika teto Madagasikara. Nilatsaka 200Ar anefa izany ankehitriny. Midika izany, fa tokony hiomana hatrany, amin’ny fiovan’ny vidin-tsolika ny mpanjifa.
Mety hiova ny vidin’io solika io amin’ny volana ambony ho avy io, saingy tsy fantatra na hiakatra izany na hidina.
Nanatontosa : Fitia R




