Gothia Cup 2025: Hisolo tena ny Dream Team FC

Nambaran-dRakotomalala Lanto, filohan’ny Dream Team FC Mada, tamin’ny mpanao gazety, omaly, tetsy Antaninarenina fa handray anjara amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena amin’ny baolina kitra “Gothia Cup 2025”, ho an’ny sokajy zandriny izy ireo. Fifaninanana, hotanterahina any Suède, ny 13 – 19 jolay ho avy izao. Roa taona taorian’ny nitsanganany sambany hiatrika lalao any ivelany izy ireo.
Fanasana manokana avy amin’ny mpikarakara no nahazoan’izy ireo mandray anjara amin’ity fihaonana andraisan’ny firenena miisa 74 maneran-tany anjara ity, izay toy ny “Mondial” kely mihitsy. Satria, ahitana ekipa afrikanina, aziatika sy amerikanina latina ary eoropeanina. Hifaninana eo amin’ny sokajin-taona, B13 sy B15 ary B17 izy ireo ka misa 55 ny ao anaty delegasionina. 40 mpilalao, mpanazatra 3 ary raiamandreny ny ambiny. Sambany izao fandraisana anjaran’ny DTFM izao. Vonona izy ireo, ny haka ny fandresena na sarotra aza ny fiomanana sy ny fikarakarana, izay nisaoran’izy ireo ny minisiteran’ny fanatanjahantena sy ny federasionina malagasy ary ny ligin’Analamanga. Fivondronan’ireo raiamandreny mpankafy baolina kitra no nanangana ny DTFM, ny taona 2023. Manabe mpilalao 7 – 17 taona ary manao fanazarantena indroa isan-kerinandro, ny alarobia sy sabotsy, etsy amin’ny kianja Paul Minault Androhibe.

Tompondaka

Partager sur: