Nisitraka loka avy amin’ny kaominina Ampitatafika ireo ankizy sangany tamin’ny fahafahana fanadinana CEPE teny an-toerana, ny 7 jolay lasa teo. Notolorana vola mitentina 1 tapitrisa Ariary avy ireo ankizy nahazo ny laharana voalohany. Mpianatra avy amin’ny sekoly Adventiste ny iray, ary avy amin’ny EPP Ankaditany Ampitatafika ny iray. Naoty 10/10 no azon’ny ankizy nahazo ny laharana voalohany tamin’ny fanadinana CEPE iny, raha ny fanazavana. Notolorana 800 000 Ar ny laharana faharoa. Nahazo 700 000 Ar avy ny sekoly nivoahan’ny mpiadina nahazo ny laharana voalohany sy ny mpanabe tao anatiny. Tanjona ny hampirisihina ny mpianatra rehetra hifantoka tanteraka ao anatin’ny fianarana, hoy ny ben’ny Tanànan’Ampitatafika, Ramparoelina Rado. Anisan’ny tanjona ny hahazoan’ny kaominina Ampitatafika ny laharana voalohany manerana an’i Madagasikara amin’ny fanadinana ofisialy. Hisitraka tolotra tahaka izao ihany koa ny ankizy sangany amin’ny fahafahana fanadinana BEPC eny anivon’ny kaominina, raha ny fanazavany. « Samy hahazo sitraka 800 000 Ariary avy ireo hahazo ny laharana voalohany amin’ireo sokajy miisa fito rehetra amin’ny fanadinana bakalorea », hoy ihany izy. Marihina fa sambany no nisy hetsika tahaka izao teny anivon’ity kaominina ity ary ezahina atao isan-taona.
Mino




