Mpizahatany 1 tapitrisa: Marolafy ny fiomanana amin’ny fotodrafitrasa

Vina lavitr’ezaky ny fitondram-panjakana ny hisarihana mpizahatany miisa 1 tapitrisa amin’ny taona 2028. Notsipihin’ ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana (MTA), Dewa Viviane, fa misy tokoa ny paikady raisina hanatrarana io tanjona io, misandrahaka amin’ny sehatra marolafy marindrano. Anisan’izany ny lafiny fotodrafitrasa, toy ny fanitarana ny seranam-piaramanidina, sy ny fanovana ireo mandray mpizahatany vahiny ha­nana fenitra iraisam-pirenena. Eo ny fanarenana ny lalam-pirenena toy, ny RN7, ny fa­namboarana ny arabe migodana, ohatra. Toraka izany koa, ny fanatsarana ny famatsian-drano fisotro sy ny sehatry ny angovo sy ny herinaratra.
Ankoatra ny fotodrafitrasa, nohazavain’ny minisitra koa fa ilaina ny fanatsarana ny lafiny maha olona. Nohamafisina ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra. Maherin’ny 43 000 ireo nahazo fiofanana ara-pizahantany, ny fisakafoana sy ny fiantranoana, ny tamin’ity taona 2025 ity. tanteraka izany, vokatry ny fandaharanasa sy tetikasa tohanan’ny mpiara-miombon’antoka (Pic, OIT, …).
Ho an’ny asa tanana, hi­tondra fiovana lehibe ny fa­nanganana tranoheva ho an’ ny mpanao taozavatra eny amin’ny toeram-pialamboly « Lac Iarivo » Ivato. Tsy atao ambanin-javatra koa ny lafiny serasera amin’ny tambajotra sosialy.

Njaka A.

Partager sur: