Misanda 5 125 Ar ny 1 euro, omaly 8 jolay, araka ny fampahalalam-baovao avy amin’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Nisy fihenany io lanjany io raha oharina ny 7 jolay, izay 5 147 Ar. Nitombo kosa ny lanjan’ny dolara, satria 4 409 Ar ny 1 dolara raha 4 407, ny 7 jolay. Ampiasaina hividianana solika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ny dolara.
Nohavaozina ny tetezana Antamponjia ao Fianarantsoa. Vola avy amin’ny Fonds Routier, mirefy 20 m ity fotodrafitrasa ity, izay nasondrotra ny 1,50 m ary novaina ho 9 m ny fanokafana, mba hahazaka tsara ny fandehan’ny rano sy ny fivezivezen’ny fiara. Hanamora ny fifamoivoizana eny amin’ny seranam-piaramanidina sy ny Cité des Profs ny fahavitany.
Mirefy 100 m2 ny velaran’ny dobo fiompiana trondron’i Menja, any Epetraka Manakara. Nangataka toromarika ara-teknika tamin’ny Fitantanam-paritry ny jono (DRPEB) Fitovinany izy, satria zana-trondro Zili no nompiana saingy tsy nitombo. Toromarika nomena azy ny hampidirana zana-trondro Tilapia nilotica, izay mety tsara amin’ny dobony.




