Tsy hita be ihany ilay zava-miseho eny anivon’ny fiarahamonina malagasy amin’izao fotoana izao. Toa mandeha tsy mandeha izany ilay andavanandron’ny mponina, raha ato indray mitopy maso. Velona tsy amin’ny ahiahy ny sarababem-bahoaka. Marina mihitsy ilay tenin’ ny Filohan’ny Repoblika hoe miaina anaty fahasambarana ny Malagasy na eo aza ny fahasahiranana. Mahay mankafy fiainana tsotra izao.
Tsy mahagaga anefa ilay fomba fiaina vaovao satria, tena efa mivadika ambony ambany ny fenitra amin’izao fotoana izao. Tsy mahataitra ny Malagasy intsony, ohatra, ny ra latsaka sy ny faty olona. Toa voavolavolan’ilay zava-mitranga ny foto-pisainana hany ka ny hasina maha olona no efa tsy misy intsony. Mivadika mihitsy ny rasa.
Ilana fitandremana lalina anefa ny toe-javamisy, ankehitriny. Loza mihatra amin’ny isam-batan’olona ny fahalovana amin’ny fomba fisainana sy ny fiainam-panahy. Mainka mandetika amin’ny fahasahiranana lalina ny fahantrana anefa izany. Tsy misy zavatra miiba hitondra miabo fa mamarina any amin’ny ambany dia ambany. Tsy hitondra fitoniana anaty fa mpitrosina ambany.
Sarotsarotra anefa no ahafahana manitsy sy manarina ny efa nosimbaina sy narodana hatrany ifotony. Raha ny zava-misy amin’izao fotoana izao, porofo mivaingana amin’ny faharavana faobe, mitarika fanararaotan’olom-bitsy. Ireto farany izay migoaka feno ny mamy miompampana noho ny adalan’ny maro anisa. Tsy azo homen-tsiny anefa izy ireny!
Samy manavotra ny tenany sy ny manodidina azy sisa ny isam-batan’olona ka tsy mahagaga raha samy mitondra ny lohany sy ny drafi-piainana arakaraka ny mahamety azy. Tsy misy resaka drafitra iraisana sy tombontsoa iombonana izany intsony eto amin’ny tanàna. Baikoan’ny samy maka ho azy sisa Ramalagasy. Tia tena avokoa sisa!
r.r




