Mitombo ny herijikan’ireo tanora mandray anjara amin’ ny “Rallye des Industries”. Notanterahina ny sabotsy 5 jolay, tao amin’ny auditorium Havoria Anosy, ny dingana faharoa amin’ny fifaninanana. Mpianatra sy orinasa miara-misalahy no nandrafitra ireo “binômes” folo nifaninana tamin’ny fahaiza-mamorona sy fahakingana mba hahazo toerana amin’ny dingana manaraka.
Tanjon’ny fifaninanana ny hanampiana ny tanora any amin’ny oniversite sy ny sekoly ambony hiditra amin’ny sehatry ny asa. Mikarakara azy ny Sendikan’ny Indostria eto Madagasikara (SIM) sy ny Agence Mercatis. Omena vahana manokana amin’ny fiofanana arakasa ao amin’ny orinasa mpanohana ny ekipany ny mpianatra rehetra mandray anjara.
Natrehin’ny mpandray anjara ny fanadinana toy ny quiz, blind test, fanadihadiana tranga ary fanehoan-kevitra am-bava. Nojerena ny fahaiza-mandinika, ny kolontsaina indostrialy, ary ny fahaiza-manazava hevitra amin’ny fomba hentitra. Anisan’ny lohahevitra noresahina ny fanodinana ara-indostria, ny fandraharahana ary ny siansa sy ny teknolojia. Tsy nisy ekipa nihintsana aloha hatreto, saingy manan-danja ny isa azo amin’ny famaritana ireo ho tafita amin’ny dingana manaraka izay atao ny sabotsy 12 jolay ho ay izao, ao amin’ ny Havoria Anosy hatrany. Maimaimpoana ny fidirana ho an’izay maniry hanatrika ny fifaninanana na koa hanotrona ny “binôme” tohanany.
Henintsoa




