EDBM-MDE : Tohanana ny vehivavy mpandraharaha

Mpandraharaha tanora ma­herin’ny 600 no hahazo fiofanana amin’ny alalan’ny “masterclass” sy fianarak’asa, hanamafisana ny tetikasany. Izany no vokatry ny fiaraha-mi­asa eo amin’ny Economic Development Board of Mada­gas­car (EDBM) sy ny Maison de l’Entrepreneuriat (MDE), izay vita sonia ny alarobia teo teny Antaninarenina. Andry iankinan’ny tetikasa ny fampiofanana ireo tanora sy vehivavy mpandraharaha. Hisy hetsika fampahafantarana sy “hackathon” ho an’ny tanora maherin’ny 2 800 isa, hanohanana manokana ny vehivavy mpandraharaha miisa 600. “Dingana lehibe eo amin’ny fa­natanterahana ny tetikasa ITovia ity fiaraha-miasa amin’ ny MDE ity, entina hananganana tontolon’ny fandraharahana mirindra sy maharitra eto an-toerana”, hoy ny tale jeneraly ny EDBM, Rafidy Josielle. Lehibe amin’ny fanohanana ny vehivavy sy ny ady amin’ny tsy fitoviana ara-pananahana ity tetikasa ITovia tohanan’ny AFD ity, izay mitentina 100 000 euros. “Manamafy ny fandraisana anjara ara-toekarena ity fiaraha-miasa amin’ny EDBM ity. Miaraka amin’ny fa­nohanan’ny AFD, afaka ma­nitatra ny asanay izahay”, hoy ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny MDE, Ranoarivony Seheno. Miantefa kokoa amin’ ny tanora mpandraharaha vao manomboka misehatra ny asa ataon’ny MDE, izay naorina ta­min’ny 2022, tohanan’ny ma­soivohon’i Frantsa. Noma­ri­hiny fa, “ahafahanay manitatra bebe kokoa ny asa fiahiana ara-toekarena io fiaraha-miasa io”.

Henintsoa

Partager sur: