Manome lanja ny fanofanana ny mpiasa ny orinasa Star. Mahatratra 1,5 miliara Ar isan-taona ny natokana hamolavolana ny mpiasa mivantana maherin’ny 1 700. Satria, ilaina ny fanamafisana ny traikefan’izy ireo, mba hifanaraka amin’ny filan’ny tsena sy ny kalitaon’ny asa. Manodidina ny 20 000 ora isan-taona no atokana ho an’ny fanofanana, manome salanisa 11 ora isaky ny mpiasa. Tanjona ny hampivoarana ny fahaiza-manao sady mitondra vokatra maharitra. Ankoatra ny fampiofanana, manokana fampiasam-bola entina hanavaozana ny fitaovana indostrialy enti-mamokatra isan-karazany ihany koa ny Star. Natao izany mba hanatsarana hatrany ny kalitaon’ny vokatra ho an’ny mpanjifa.
Ilaina ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana sy ny tsy miankina, hitazonana ny herijika ara-toekarena. Satria, mampitombo ny famoronan’asa sy manamafy ny fahaiza-manao eto an-toerana takin’ny vaninandro ankehitriny. Hitondra fivoarana ho an’ny toekaren’ny firenena sy ho fampiroboroboana ny sehatry ny indostria eto amintsika.
Njaka A.




