SOMBIM-BAOVAO

Ao anatin’ny fanomanan-tena tanteraka ny Ankoay, any Frantsa, ho fiatrehana ny Afrobasket. Lalao ara-pirahalahiana voalohany hatrehan’izy ireo ny fifandonany amin’ny ekipa ao Frantsa, i Mil-Yon, anio zoma 11 jolay. Hifandona amin’ny Team Paris kosa ny Ankoay rahampitso sabotsy 12 jolay any Frantsa ihany. Ao amin’ ny kianja Angelo Parisi no hanaovana ny lalao.

Nodimandry ny alatsinainy 7 jolay lasa teo, ny filohan’ny federasionina malagasin’ny lomano teo aloha, Randrianandraina Jean Richard. Ny taona 2011 hatramin’ny 2015 izy no nitantana ny FMN ary efa mpikambana tao amin’ny kaomity mpitanana ny “Commission Nationale Olympique” ihany koa izy tamin’ny taona 2011 hatramin’ny 2014.

Hiady ny amboara volamena, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ho an’ny klioba taranja baolina kitra, ny PSG sy ny Chelsea. Ny alarobia lasa teo, nomontsanin’ny Paris ST Germain, tamin’ny isa mavesatra 4 no ho 0 ny Real de Madrid, nandritra ny lalao manasa-dalana natao tao amin’ny kianja Netlife.

Partager sur: